Am-polony ny orinasa manohana ny hetsika Marathon International de Tana (MIT). Tao ny efa nanohana ny hetsika teo aloha, tao ihany koa no mbola vaovao. Noho ny fahombiazana tamin’ny andiany 16 nifanesy, manohana hatrany ny MIT ny orinasa CRBC izay orinasa nanamboatra ny “rocade” Andohatapenaka. Handalo eny amin’ny lalan’ny frankofonia Andohatapenaka izany ny lalao foulées écolos (10km). Continuer la lecture
Auteur R Nirina
ASAN-DAHALO: Mihainohaino fotsiny ny fitondram-panjakana.
Mandry tsy lavo loha ny mponina ao amin’ny kaominina Betsipolotra, distrika Miandrivazo. Miharipaky ny daholo ny hany mba sisa fananan’izy ireo. Omby 1400 lasan’ireo dahalo mirongo fitaovam-piadiana 50 isa, ny talata 12 sy alarobia 13 Septambra 2017. Nanara-dia azy ireo ny solon-tenan’ireo tompon’omby izay manodidina ny roapolo ka tamin’izany no nahafantarana fa natoby tao Manandaza, lemaka akaikin’i Itondy, distrika Miandrivazo ireo omby halatra ireo. Continuer la lecture
MARATHON INTERNATIONAL DE TANA: Mangataka fanohanana ireo atleta Malagasy.
Hifanandrina amin’ireo atleta avy ivelany ny atelta Malagasy mandritra ny Marathon International de Tana (MIT) andiany faha-17, ny 14 sy ny 15 oktobra ho avy izao. Ho avy hanatevin-daharana ity hetsika ity ny atelta avy ao amin’ny Nosy raharavavy, avy any Afrika… Continuer la lecture
ISPM: Mahaliana ny mpianatra ny lalam-piofanana momba ny serasera sy ny fifandraisan-davitra.
Ao anatin’ny fitadiavana ny oniversite mifandraika amin’ny lalam-piofanana hanohizana ny fianarana ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea farany teo. Betsaka ireo mpianatra no liana amin’ny lalam-piofanana momba ny fifandraisan-davitra sy ny serasera. Anisany lalam-piofanana be mpanontany indrindra teo amin’ny trano heva nisy ny Institut Supérieur de Polytechnique de Madagascar (ISPM) izy ity. Nambaran’ny Talen’ny fitantanana sy ny vola an’ny ISPM, Aimée RAZAFINDRAHETY fa mirona kokoa amin’ny fivoaran’ny teknolojia ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Continuer la lecture
MIFANARAHA ISIKA MALAGASY…
Efa manomana fifidianana ho filoham-pirenena ireo kandidà mieritreritra ny andray an-jara amin’izany fifidianana izany. Nisy mihitsy ny efa nanambara ny hilatsahany am-pahibe maso. Ny hafa kosa na mbola tsy miteny aza, efa miseho vahoaka sy miezaka hamory vahoaka. Continuer la lecture
BRIGADE CRIMINELLE: Tratra ireo mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra.
Nanao fidinana tampoka teny Analakely nataon’ny Polisy misahana ny fikarohana, telo mianadahy no tra-tehaka. Vehivavy mpitantana orinasa misahana manokana momba ny finday ny iray ary lehilahy tompona “Kiosque” sy mpanampy azy kosa ny roa hafa. Continuer la lecture
SYMBION POWER: Noho ny fanarenana, mamokatra herinaratra 40MW ny ao Mandroseza
Raha 02 MW fotsiny ny herinaratra vokarin’ny milina mpamokatra herinaratra ao amin’ny foibem-pamokarana angovo Mandroseza, niakatra 40 MW izany ankehitriny. Noho ny fiaraha-miasan’ny fanjakana tamin’ny orinasa SYMBION Power, nohavaozina ireo milina efatra simba. Continuer la lecture
AIR MADAGASCAR : Un retour à l’équilibre de la compagnie nationale.
La date butoir de la mise en place des éléments financiers, matériels pour la réalisation du partenariat stratégique entre la compagnie aériennes Air Madagascar et Air Austral serait en mois d’octobre. Le Président Directeur d’Air Austral, Marie Joseph Malé a rencontré le conseil d’administration d’Air Madagascar et son comité d’entreprise pour présenter son plan business stratégique. Continuer la lecture
ISPM: Manampy amin’ny fisafidianana ny lalam-piofanana.
Varavarana hidirana amin’ny sehatry ny ambaratonga ambony ny mari-pahaizana BAC. Nohamafisin’ny Talen’ny fitantanana sy ny vola, Aimée RAZAFINDRAHETY fa tsy ezaka farany ny fanadinana bakalorea. Ho fanampiana ny ray aman-dreny sy ny mpianatra tafita amin’io dingana io no antony nanaovana ny salon de l’ISPM, vita BAC. Continuer la lecture
WORLD TRADE CENTER: Efa misokatra ny fisoratana anarana amin’ny MIT 2017.
Ny sabotsy 14 sy ny alahady 15 oktobra 2017 no hanatontosana ny Marathon International de Tana (MIT) andiany faha-17. Efa misokatra ny fisoratana anarana. Afaka hanaovana izany avokoa na eny amin’ny biraon’ny VIMA Ankorondrano, ORTANA Antaninarenina, FMA Stade Alarobia. Nambaran’ny mpikarakara avy ao amin’ny World Trade Center, Mercedes RATSIRAHONANA harotsaka ao amin’ny kitapom-bolan’ny fikambanana AKAMASOA ny 20% ny vola azo avy amin’ny fisoratana anarana. Continuer la lecture











