Kandida amin’ny fifidianana solombavambahoaka voalohany nanatitra ny taratasy filatsahan-ko fidian’ny teny amin’ny OVEC (Organe de Vérification et d’Enregistrement des Candidatures), distrika an’Antananarivo faha- II i Jean Navandahy Ratiharison. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
FANOMANANA NY CAN 2019 : Misy ny tetibola natokana ho an’ny Barea
Hatramin’ny fifaranan’ny lalao CAN 2019 atao any Egypta ny fifanarahana amin’ny Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy, araka ny fanazavan’ny filohan’ny kômity ny fampanarahana fenitra (comité de normalisation), Atallah Béatrice. Hiaro ny voninahitr’i Madagasikara ny Barea ka tapaka teo anivon’ity kômity ity fa misy ny tetibola manokana ho fanohanana ny ekipam-pirenena sy ireo delegasiona hiaraka amn’izy ireo mandritra ny lalao. “Hanampy ara-bola ny FIFA, ny CAF ary hantenaina fa handray anjara ihany koa ny fitondram-panjakana amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena Malagasy ka ny Prezidan’ny Repoblika no hanolorana voalohany io tetibola nofaritana io”, hoy i Atallah Béatrice nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny zoma 1 martsa 2019 lasa teo.
Lalaom-pirahalahiana
Ao anatin’izay fanomanana ny lalao iadiana ny tompondaka an’i Afrika izay hatrany dia handray anjara amin’ny lalaom-pirahalahiana ny ekim-pirenena Malagasy. Raha tsy misy ny sampona dia ny 2 jona 2019 izy ireo no hifanandrina amin’ny Luxembourg ary ny 5 jona kosa amin’ny Kenya. Mbola hifampiresahana kosa ny lalao ara-pirahalahiana ho atao eto an-tanindrazana mialoha ny CAN, raha ny fanazavan’ny filohan’ny kômity ny fampanarahana fenitra hatrany.
Fifidianana
Mampanahy ny tsy hahavitan’ny fifidianana ny filohan’ny federasiona ny baolina kitra Malagasy (FMF) mialoha ny fahataperan’ny fe-potoana hiasan’ny kômity ny fampanarahana fenitra izay ny 12 mey ho avy izao. Nambaran’ny filohan’ny kômity ny fampanarahana fenitra fa tsy maintsy hirosoana aloha ny fifidianana ny filohan’ny ligy ny Bongolava izay anisany sakana tsy nahavitan’ ny fifidianana ny filohan’ny federasiona nokarakarain’ny FMF teo aloha. Ho averina ihany koa ny fifidianana filohan’ny seksiona ao Tsiroanomandidy. Aorian’ireo fifidianana ireo no hamaritana ireo delege tokony hiatrika ny fivoriambe tsy ara-potoanan’ny kômity ny fampanarahana fenitra amin’ny fiandohan’ny volana aprily 2019 ary ho fantatra amin’io fivoriana io ireo mpifidy 22 handray anjara amin’ny fifidianana filohan’ny FMF.
Lynda A.
TAKAITRA NAVELAN’NY RIVO-DOZA SY ORAMBE: Asa maika ny fanarenana ireo traboina
In-droa nahita ny loza ny tany amin’ny faritra atsimo izay iasan’ny fikambanana Secours Islamique France (SIF) tamin’iny volana Janoary sy Febroary lasa iny. Continuer la lecture
FITRANDRAHANA FASI-MAINTY ATAON’NY BASE TOLIARA: “Vonona ho faty ho an’ny tanindrazany ireo fokonolona”
“Rehefa olon-tsotra no manapaka hazo sy mihaza biby dia lazaina fa manimba tontolo iainana fa rehefa orinasa vahiny no manao izany dia fampandrosoana. Continuer la lecture
ADMINISTRATION: Le grand ménage…
Il est tout à fait logique que les vaincus cèdent la place aux vainqueurs et le nouveau régime Rajoelina n’a pas failli à cette règle. Continuer la lecture
« SALON DES ÉTUDES INTERNATIONALES »: Mianatra eto an-toerana nefa mahazo diplaoma avy any ivelany
Tonga amin’ny andiany faha-folo ny hetsika « Salon des Études Internationales » karakarain’ny Mada jeune amin’ity taona 2019 ity. Continuer la lecture
Lutte contre la corruption et l’impunité: La grande chasse… aux sorcières ?
Lors du dernier Conseil des ministres, concernant la lutte contre la corruption et l’impunité, le président Rajoelina a ordonné la « tolérance zéro » et l’« exemplarité des sanctions». Des mesures que d’aucuns ne manqueront pas d’applaudir au vu de la gabegie, de l’impunité qui ont régné jusqu’ici depuis la Transition mais… Continuer la lecture
RUGBY VEHIVAVY: Nahazo traikefa tany Frantsa i Marcelia, Pela ary Sonia
Tanora zazavavy mpilalao baolina lavalava (rugby) miisa telo avy ao amin’ny fikambanana « Terre en Mêlées » avy naka traikefa tany Frantsa. Continuer la lecture
MINISTERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA: Tsy nofoanana ny « Police de la route »
Naato vonjimaika mandra-pivoahan’ny paik’ady vaovao ho fanatsarana sy fiadiana amin’ny kolikoly ny « Police de la route ». Continuer la lecture
ORINASA MIARA-MIASA AMIN’NY JIRAMA: Nanaiky ny fepetra takiana amin’izy ireo
Fotoana nandrasan’ny mpampiasa ny herinaratra avy amin’ny Jirama ny zoma 22 febroary 2019 teo. Continuer la lecture











