Socio-eco

« GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR »: Mampivondrona ny mpivarotra


Hanamaivana ny fivezivezena mandritra ny fiantsenana ny fitsidihana ny hetsika ara-barotra Grande Braderie de Madagascar (GBM). “Fotoana iray ahafahan’ny mpianakavy mijery ny entana rehetra ilainy ity hetsika ity”, hoy mpikarakara, Ramanantsoa Harilala. Fotoana fanararaotana hietsenana ny GBM sady efa manakaiky raha teo ny fetin’ny Paska na Paka.  Hanomboka amin’ny Alarobia 27 ka hatramin’ny 31 martsa 2019 ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina  ity  andiany manaraka ity.  “Feno 20 taona ny Grande Braderie de Madagascar nokarakarain’ny Mada Vision ary niezaka nikaroka hanatsarana ny tolotra hatramin’izay”, hoy hatrany I Ramatoa Ramanantsoa Harilala. “Feno 20 taona ny Grande Braderie de Madagascar nokarakarain’ny Mada Vision ary niezaka nikaroka hanatsarana ny tolotra hatramin’izay”.

Nanamafy ny mpikarakara fa mampiavaka ny GBM ny fampivondronana ireo mpivarotra, orinasa, mpanao asa tanana amin’ny toerana iray ary misy fihenam-bidy manomboka amin’ny 15 % no mihoatra ny entana rehetra varotana mandritra ny hetsika. Eo ihany koa ny toerana satria milamina, misy parking ary azo antoka ny fandriam-pahalemana. Ho hita mandritra ny dimy andro ireo kojakoja rehetra ilaina amin’ny andavanandro toy ny akanjo ho an’ny vehivavy sy lehilahy na ho an’ny ankizy na lehibe, ny kojakojan-dakozia, kilalao ho an’ny ankizy, ny sakafo, kojakoja hikoloana ny endrika aman-bika, ny finday…

Nomarihin’ny mpikarakara fa matihanina avokoa ireo mandray anjara satria manana fivarotana ara-dalàna rehefa andavanandro ary mandoa hetra ara-dalàna.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *