politique

DISTRIKAN’AMBOHIDRATRIMO : Kandida solombavambahoaka Rabemihoatra Mino


Nifanojo ny fanapahankevitry ny  maro an’isa amin’ireo ben’ny tanàna ao amin’ny distrika an’Ambohidratrimo sy ireo vahoaka avy amin’ireo kaominina 24 mandrafitra ny distrika fa hanolotra an-dRabemihoatra Mino Mbolatiana ho kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey 2019. Tafapetraka soamantsara omaly 12 martsa 2019, teny amin’ny OVEC Ambohidratrimo ny antontan-taratasy rehetra momba ny filatsahan-ko fidian’ity kandidà ity. Ben’ny tanàna an’Ambohitrimanjaka Rabemihoatra Mino talohan’izy kandidà. « Maro tamin’ireo ben’ny tanàna  mivondrona ao amin’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna ao amin’ny distrika an’Ambohidratrimo no nanapakevitra hanolotra kandidà satria tsy dia hitan-dry zareo firy ny fiarahamiasa tamin’ny solombavambahoaka lany teo aloha solombavambahoaka, dia ny niresaka tamiko izy ireo », hoy ny kandidà solombavambahoakan’ny distrika an’Ambohidratrimo, Rabemihoatra Mino Mbolatiana.

Nilaza ihany koa ireo solontenan’ny mponina avy amin’ireo kaominina Mahereza, Ambohitrimanjaka, Ampangabe, Fiadanana fa lasa faralahin’asa amin’ny fampandrosoana ny kaominina misy azy ireo hatramin’izay. « Izany indrindra no antony hanohananay ny kandidà Rabemihoatra Mino satria izy no hantenainay hitondra ny hetahetanay », hoy ny solontenan’ny mponina. Namafisin-dRazanamparany Victor na Dadatoa Tor, mpiray lisitra amin’ity kandià ity fa afaka hitondra ny hetahetan’ny vahoaka amin’ny alalan’ny lalàna ny kandidà tohanany. Mampahafantatra sahady ny vahoakan’ny distrika an’Ambohidratrimo ny kandidà Rabemihoatra Mino fa hametraka birao manerana ny kaominina mba ahafahana mifanerasera akaiky amin’izy ireo rehefa lany solombavambahoaka.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *