Socio-eco

GROUPE SIPROMAD: Misokatra varavaram-piarahamiasa amin’i Togo


Tombontsoa lehibe ho an’ny tompona orinasa na tomponandraikitra ambony ao amin’ny orinasa fa indrindra ny fitondram-panjakana eto Afrika ny fanatrehana ny Africa CEO Forum (ACF). Natao teto Kigali, Renivohitr’i Rwanda ny 25 sy 26 martsa 2019 ny andiany faha-fito an’ity fihaonamben’ny sehatra tsy miankina ity. Niavaka ity andiany ity satria niakatra 1800 ny mpandray anjara izay avy amin’ny firenena 70 eto amin’ny kaontinanta afrikana. Nanana delegasiona ny firenena Malagasy ka anisan’izany ny Groupe Sipromad. « Fanienina tamin’ity ny groupe Sipromad no nandray anjara tamin’ny Africa CEO Forum. Misy loabary an-dasy maro amin’ity forum ity ka amin’izany no hijerena ny fiarahamiasa amin’ireo firenena marobe mandray anjara, hoy ny tale kabinetran’ny groupe Sipromad, Tiana Rasamimanana nandritra ny Africa CEO Forum 2019. Anisany nanatrika ny famelabelaran-kevitra « invest in Togo i Rasamimanana Tiana niaraka tamin’ny tomponandraikitra ao amin’ny orinasa Thomson Broadcast, izy mivondrona ao anaty Groupe Sipromad, Khiran Keerdhur.Novidian’ny groupe Sipromad ny Thomson Broadcast tamin’ny volana aogositra 2018. Orinasa any Frantsa misahana ny fametrahana ny televiziona nomerika izy ity. Nanam-pikasana hametraka televiziona i Togo saingy tsy tanteraka izany. Ka tamin’ity forum ity no nahafahana nihaona tamin’ny filohampirenen’i Togo sy ny ministra misahana ny fifandraisandavitra ka tamin’izany no nanolorana tolokevitra vaovao amin’ny fametrahana televiziona nomerika any amin’io firenena io, araka fanazavan’ity tale kabinetran’ny Groupe Sipromad ity. Nohamafisiny fa tany Madagasikara no nanombohan’ny groupe Sipromad ka mbola ho tohizana izany. « Vola 20 tapitrisa euros no efa nampiasanay tany Madagasikara teo amin’ny sehatry ny indostria toy ny famokarana savony sy sigara. Eo ihany koa fanamboarana ny fotodrafitrasa lehibe Tour Orange Ankorondrano ».

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *