Ela niandrasana ka tonga ihany. Tao aorian’ireny fampiatoana ny fanamboarana ny « permis » sy « carte grise biometrique » lazaina fa tsy tena « izy » ireny dia vonona amin’izay ny tena « izy ». Continuer la lecture
Auteur R Nirina
« LE ZOMA DE TANA » : Resy teny amin’ny fitsarana ny kaominin’Antananarivo renivohitra
Miverina amin’ny hetsika « Le Zoma de Tana » etsy amin’ny Parvis Analakely raha ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana androany Alakamisy 23 Mey 2019. Continuer la lecture
Kandidà Serge Zafimahova, N°3, Antananarivo II: Ny isam-batan’olona no miresaka aminy
Nivalona ny herinandro voalohany amin’ny fampielezan-kevitra. Ny fihaonana sy ny dinika mivantana amin’ireo mponina, sy ny isam-batan’olona hatrany no tena iompanan’ny dian’ny kandidà Serge Zafimahova, any amin’ireo fokontany ao amin’ny boriboritanin’Antananarivo II.
Ahoana marina moa ity 320 tapitrisa ariary ity ? Ahoana sy ho amin’ny inona no tokony ho fipetraky ny fampiasana azy ? Mitovy ny feo, niala tany Androndrakely, nandalo an’i Mahazoarivo sy Ambohidraserika, nipaka tany Ampasanimalo, na koa niainga teny Manjakamiadana sy Andohamandry ka hatrany Ankatso sy Ambolokandrina. Ireo no fanontanian’olona, nitondràn’ny kandidà valiny mazava, manoaloana ny manjavozavo nisy hatrizay. Ny fototra hiaingana dia ny fitsinjarampahefana tena izy, hisian’ny Sefompokontany sy Delegen’ny boriboritany voafidim-bahoaka, mahalala ny hetaheta any ifotony, ka ny Komitin’ireo Sefompokontany no hamaritra sy hitantana ny fampiasana ny 320 tapitrisa.
Tonga nizara ny ahiahiny sy ny fanontaniana momba ny ho aviny ihany koa ny tanora, ary dia nanazava ny endrika vaovao hametrahana ny fanompoam-pirenena ny kandidà Serge Zafimahova : ho sokajiana roa, araka ny mari-pahaizan’ny tanora ; hisy ny fiofanana ara-miaramila, ary ho arahin’na fianarana asa ho an’ireo izay manohy antsitrapo, ka ny asa miteraka harena no hahazo tosika, toy ny fahazoana tany, fitaovana, na koa fampindamam-bola.
Mahaliana ny mponina, indrindra moa fa ny renim-pianakavana, ny momba ilay tahirimbola ifampitsinjovana, hajoron’ny mpiara-monina. Fanohanana tsotra, miompana amin’ny sehatra fihariana, toy ny fambolena, fiompiana, varotra, zaitra, hotely gasy, sns. Ny mpikambana no mametraka ny fitsipika, hofanina ny mpitantana, ary samy handrotsaka vola amin’ny fotoana hifanomezana ny mpiara-miombona. Maro ny vehivavy mananontena sahirana rahefa misedra olana ara-pahasalamana na momba ny fianaran-janany, ka, amin’izay, dia ho azony atao ny mindram-bola ao amin’ny tahiry iombonana.
Any an’elakelantrano, any amin’ny tontolo iainan’ny mponina mandava-taona, no mafana ny resaky ry zareo sy ny kanddà Serge Zafimahova : fandriampahalemana, varotra, fambolena, fianarana, ary koa ady amin’ny kolikoly, aretina mikiky ny fiaraha-monina, sy hisatra ho an’ny fampandrosoana. “Mila depiote hitanay tena miasa izahay, fa tsy rehefa fotoam-pifidianana vao tonga handambolambo anay”, hoy ny mponina.
Nanangona: Nirina R.
FANONDROTAN-KARAMA FARANY AMBANY : Ho avy tsy ho ela ny an’ny mpiasam-panjakana
Nandray ny anjara andraikiny ny minisiteran’ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy taorian’ny tomban’ezaky ny 100 andro nataon’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry ny 29 aprily 2019. Continuer la lecture
ANTOKO TIM : Miahiahy ny fampiasana ny sarin’ny prezidàn’ny Repoblika
Maha be resaka sy ahiahy an’ireo mpanao politika ny fampiasana ny sarin’ny prezidàn’ny Repoblika Rajoelina Andry amin’izao fampielen-kevitra izao. Continuer la lecture
FITSABOANA MAIMAIM-POANA : Maninona ny sehatra tsy miankina no mahavita?
Porofo mivaingana ny zava-nitranga teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely fa marobe ireo Malagasy tsy mahavita mitsabo tena na dia hizaha ny fahasalamany fotsiny aza. Continuer la lecture
FAHA 80 TAONA NY SEKOLY LYPARS : Tetikasa maro no hotanterahana
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny Alahady 05 Mey 2019 lasa teo ny fankalazana ny faha-80 taonan’ny Lycée Privé Adventiste Rajoelison Soamanandrariny (LYPARS). Continuer la lecture
TANANA VAOVAO “TANÀ-MASOANDRO”: Hanomboka ny asa
“Tsy ho nofy intsony”, hoy ny sekretera jeneralin’ny fiadidian’ny Repoblika ny fananganana tanàna vaovao nandritra ny fanokafana ny fivoriana fampahafantarana ny tetikasa “Tanà-Masoandro” sy ny biraon’ny sampandraharaha misahana ny tetikasa, ny 3 mey 2019. Continuer la lecture
KANDIDA DEPIOTÉ RAKOTOARISOA JOHNNY : Tsy handray “malette” rehefa eny Tsimbazaza
Rivo-baovao no entin’ny kandida ho solombavambahoaka Rakotoarisoa Johnny rehefa tonga eny amin’ny Antenimierampirenena. Continuer la lecture
SEKOLY LYPARS : Mahay asa tanana avy hatrany ireo mpianatra
Feno 80 taona ny Lycée Privé Adventiste Rajoelison Soamanandrariny (LYPARS). Continuer la lecture











