politique

LOUIS RAZAFISAMBATRA : « Tsy manao afatsy ny nataon’ny teo aloha ny prezidàn’ny Repoblika »


Mampalahelo fa ny Prezidàn’ny repoblika izay mbola erotrerony dia tsy manao afa-tsy ny nataon’ny filoham-pirenena nifandimby teo aloha ihany. Hatramin’izao mbola tsy manana ahiahy ny nifidy  azy satria mbola tsy nanomboka nampiseho porofo mivaingana izay miantraika any  amin’ny famokarana ny Prezidà Rajoelina Andry. Hatreto dia ny fitokanana sy fanohizana  ireo zava-bita natomboky ny filoha teo aloha no ataony. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia tsy manome vahaolana hafa hialàna amin’ny findramam-bola mba hihoarana ny nataon’ireo mpitondra taorian’ny 2002 izy, hoy Louis Razafisambatra, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Oniversite Sorbonne Paris. Manomboka mihalefy ny fanantenana amin’ny fivoaran’ny politikam-panjakana hamokatra, hiaina, hanjifa,hifanakalo. Mandeha tsy misy fivoarany ka te hampiseho fa mandray anjara amin’ny fampandrosoana ara- toekarena, sosialy, maha olona ny “Programme Emergence” nalaza tamin’ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana filohampirenena 2018. Hany ka lasa mitady vonjy amin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) sy ny banky iraisam-pirenena  mba hamatsy vola ireo tetikasa miaro fampanantenana poakaty. Raha jerena amin’ny fomba tsotra dia tsy mitombona  fa ny Prezidà sy ny ekipany dia hampiasa ny vola amin’ny fomba mahitsy. Tsy azo adinoina ny fomba fiteny hoe: « si l’argent est un bon serviteur, il est un mauvais maître ». Hatramin’izao dia mbola tsy manazava akory ny tanjona mampifamatotra amin’ny vahoaka sy ireo mpisehatra ara-politika  sy toekarena ny velirano ny Prezidàn’ny repoblika. Ny zavatra handrasan’ny vahoaka malagasy dia fandrosoana tsy mitanila, mifanaraka amin’ny filàn’ny faritra, ny distirka, ny kaominina.

Efa lany daty amin’izao taonjato faha-21 ny fahaizana mandresy lahatra, ny kilasy sosialy mba hahazoana toekarena salama ho an’ny maha olona. Fotoana hampiasana ny politika misy tanjona izao fa tsy politika politisianina intsony. Tsy hatahotra intsony isika hiteny amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena hahazo ny fitsinjarana mitovy amin’ny famatsiam-bola an’ireo kandida mandritra ny fifidianana filoham-pirenena. Ny fifidianana azo avy amin’ny vola tsy rariny dia tsy tena mankany amin’ny demokarsia.

Manoloana ny fiverimberenan’ny fomba fanao ratsy amin’ny lafiny ny  politika eto Madagasikara, manàna  ianareo fara-faharatsiny risi-po sy  fahatsorana amin’ny alalan’ny fieretreratana ny tenin’i Albert Einsten: “Lorsqu’un problème résiste malgré d’énormes efforts de recherché, nous devons mettre en doute  ses données premières”. Nambaran’ny hatrany fa tsy vahaolana ny fampidirana am-ponja ireo mpanohitra fa tokony ho raisina  ny hevitra tsy mitovy sy ny fomba fijery ara-politika, ara-toekarena…

Ny fandrasain’anjara ny mpisehatra rehetra eny anivon’ny faritra, ny distrika, ny kaominina sy ny fiarahana manangana politika ho an’ny daholobe no fototra iaingana hamongorana ny  fahantrana. Noho izany, tsy misy ny modely ara-toekarena  raha te ho an’ny  amin’ny tsaratsara kokoa.

Ny faniriana dia tsy hijanona amin’ny fanomezana fahafaham-po  amin’ny mpifidy izy.  Mazava ho azy fa tsy miditra ao amin’ny adi-hevitra  sy resabe tsy mitondra vokatra satria  ny fahefana rehetra eto amin’ny firenena dia manana   fahalalana lalina hanova ny fahazarana hangatahin’ny fiarahamonina malagasy ao anatin’ny krizy sy manome vahana ny dingana ho an’ny fanovàna ary manohitra ny fivarotana tanindrazana.

Manana fanantenana ve isika fa hikely aina hanova ny toekarena amin’ny endriny hafa ny Prezidà Rajoelina Andry,  raha ny hery hananany amin’izao fahatanorany izao? Ho sahy hiatrika ny sakana ara-politika, ara-panjakana, toekarena sy lalàna izay mampihena ny fahatokisan’ny vahoaka izy?

Andao hiaraka hanangana rafitra  amin’ny alalan’ny famolavolana fifandraisana vaovao amin’ny mpiray tanindrazana, miaraka amin’ny fanantenana hanova fiarahamonina tena ilaina ary manome aina ho an’ny rehetra. Andao hitarika ny vahoaka hijoro  sy hahay hanapa-kevitra fa tsy hiononz amin’ny fandeferana, hoy hatrany izy.

Nirina R.


One comment on “LOUIS RAZAFISAMBATRA : « Tsy manao afatsy ny nataon’ny teo aloha ny prezidàn’ny Repoblika »

  1. Pingback: LOUIS RAZAFISAMBATRA : « Tsy manao afatsy ny nataon’ny teo aloha ny prezidàn’ny Repoblika » - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *