Socio-eco

TILY ETO MADAGASIKARA : Manomana ny fahazato taonany


Afaka 5 taona dia hankalaza ny faha-zato taona ny tily eto Madagasikara izay ny taona 1924 no niforonany ary notarihin’i Chef RANDRIA sy ny ekipany tamin’izany fotoana izany. Noho izany, mikarakara hetsika « TAMBOHO » na « tahala mampiray ny beazina sy ny olon-dehibe ho amin’ny ho avin’ny fikambanana » ireo ao amin’ny departemanta fitantanana ny olon-dehibe sy ny kalitao (ODK). Ny sabotsy 22 Jona 2019 izany hetsika izany ao amin’ny lapan’ny tanana Analakely. Hatomboka amin’ny 9 ora maraina ny fotoana ka hifarana amin’ny 4 ora tolakandro. Fotoam-pivavahana no entina isan-tarana ny hetsika  « TAMBOHO ».

Anton’ny hetsika dia ny hanovo traikefa  niainan’ireo zoky tany aloha tany ka tokony hotandrovona ary ho entina hanambe ny mpikambana ankehitriny  mba afahana mivelatra hatrany ny fanabeazana skoty. Eo ihany koa ny hanatrarana ny vina afaka dimy taona mba hanana tranom-bakoka ny fikambanana tily eto Madagasikara. Noho izany miantso ireo rehetra nandalo tao amin’izany fikambanana izany ny mpikarakara mba hizara ireo fantany kanefa tsy voasoratra. Hampita ny fanilo ireo zoky ary hitahiry ny soa toavina maha skoto kosa ny zanaka sy ny zandry aty aoriana. Ity hetsika « TAMBOHO » andiany voalohany ity izany dia hampivondronana ireo efa nisahana andraikitra nasionaly teto anivon’ny fikambanana Tily eto Madagasikara ka mbola velon’aina ary ireo solon-tenan’ny rafitra amin’izao fotoana izao.  Ankoatra izay dia araraotina ny fihaonana mba hanangonana ireo vakoka sy tantaran’ny fikambanana.

Ny fikambanana Tily eto Madagasikara dia mpikambana eo anivon’ny fikambanan’ny Skoto maneran-tany na ny « Organisation Mondiale du Mouvement Scout »(OMMS). Fikambanana mitaiza tanora hijoro ho vavolombelon’i Kristy, ho andrin’ny fianakaviana ary hitory ny firalahiana eo amin’ny manodidina izy ireo. Mivoy ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny firaha-monina, ny fiangonana ary ny fianakaviana ny fikambanana. An-tsitrapo avokoa no anatanterahana izany.

Nirina R.


One comment on “TILY ETO MADAGASIKARA : Manomana ny fahazato taonany

  1. Pingback: TILY ETO MADAGASIKARA : Manomana ny fahazato taonany - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *