Socio-eco

MEDICINS DU MONDE : Ny sakana eto Madagasikara momba ny fitiliana ny VIH/SIDA


Nanao fanadihadiana ny fizotry ny fitiliana sy ny fitsaboana ny tsimokaretina VIH/SIDA eto Madagasikara, teo anelanelan’ny volana septambra 2017 ka hatramin’ny jona 2019 ny Médecins du Monde. “Tsy maintsy ovaina ny fomba fampitàna vaovao”.  Tanàn-dehibe dimy teto Madagasikara no nanatanterahana ny fandaharan’asa (Antananarivo Renivohitra, Antananarivo, Mahajanga I, Toamasina I, Antsiranana I  ary Toliara I). Ireo sokajin’olona marefo mety hitondra ny tsimokaretina:  mpampanofa  tena na mpivarotena, lahy manao firaisana ara-nofo amin’ny lahy, mpitsindrona zava-mahadomelina no nanaovana ny fanadihadiana.  Ny hahazoana tarehimarika ahafahana manao adisisika no tanjon’ny fanadihadiana, araka ny fanazavan’ny mpandrindra fandaharan’asa momba VIH eo anivon’ny Médecins du Monde. Omaly Zoma 28 jona 2019 no nandravonana ireo antontan’isa sy antontan-kevitra rehetra voaangona. Nandray anjara tamin’ny atrikasa ireo mpiara-miombona antoka amin’ny Médecins du Monde toy ny fikambanana LGBT Madagascar, ny Mad Aids, ny Ainga Aides ary ireo mpisehatra miady amin’ny tsimokaretina VIH/SIDA.

Na dia mbola vitsy aza ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH eto Madagasikara dia zava-doza ho an’ny fahasalaman’ny daholobe izany satria marobe ireo mitondra ny tsimokaretina kanefa tsy mahalala izany noho ny  tahotra hanao fitiliana. Vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Médecins du Monde dia 65 % amin’ireo sokajin’olona marefo no efa nanao fitiliana. “Ny 90 % tamin’izy ireo dia tsy mbola nanao fitiliana talohan’izao fanadihadiana izao. Zava-doza ho an’ny fahasalaman’izy ireo sy ny hafa izany satria noho ny  tsy fahafantarany dia hamindra ny tsimokaretina amin’ny hafa izy rehefa manao firaisana ara-nofo”, hoy ny mpandrindra ny fandaharan’asa momba ny VIH ao amin’ny Médecins du Monde. Raha ny fantatra dia 14 % ny tahan’ny lehilahy mifampiray (MSM) no mitondra VIH/SIDA,   5,8 % kosa ny mpivarotena ary 0,3 % ny tanora.  Nambarany fa mbola sakana eto Madagasikara momba ny fitiliana ny VIH ny tsy finoana ny fisian’ny tsimokaretina, ny henatra, ny tahotra hohavakavahana. Noho izany tsy maintsy ovaina hoy izy ny fomba fiasa satria efa am-polon-taonany no fantatra fa areti-mandoza sy mahafaty ny VIH/SIDA.

Nirina R.


One comment on “MEDICINS DU MONDE : Ny sakana eto Madagasikara momba ny fitiliana ny VIH/SIDA

  1. Pingback: MEDICINS DU MONDE : Ny sakana eto Madagasikara momba ny fitiliana ny VIH/SIDA - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *