Socio-eco

TAMBOHOBE : Mitohy ny ady amin’ny herisetra


Tao aorian’ny fivoriam-be notanterahana teny amin’ny B-Maestro Betongolo sy noho ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny biraon’ny fikambanana TAMBOHOBE « Tanora Mbola ho beazina » dia notanterahana ny fifanoloran’andraikitra teo amin’ireo mpikabana amin’ny birao vaovao sy ny teo aloha. Natao tetsy Antaninarenina izany androany Alakamisy 20 Jona 2019. Nampahafantarina an’ireo mpikambana rehetra ihany koa ireo mandrafitra ny birao vaovao ireo. Mitohy noho izany any ady amin’ny herisetra amin’ny lafiny rehetra indrindra amin’ireo ankizy sy ny vehivavy. Tamin’ny taona 2002 no niforonan’ny fikambanana teny Andraisoro. Tapa-kevitra ireo vondron’olona vitsivitsy fa hivondrona hiady amin’ny fanjakazakan’ny herisetra sy ny tsy fahandriam-pahalemana teny an-toerana. Nitsiry ny hevitra noho ny fahitana ireo zaza miisa fito tokony ho enina ka hatramin’ny valo taona niharan’ny fanolanana teo Andraisoro. Nisy koa ny tifitra variraraka nataon’ny jiolahy ny mpitandro filaminana avy eny ambonin’ny tambohon’ny Ntaolo teo Andraisoro ihany. Tanjon’ny fikambanana noho izany ny hiady amin’ny herisetra, fanafoanana ny fizahan-tany mamoafady, ny mahakasika ny ankizy sy ny tontolo iainany. Eo ihany koa, ny fanandratana avo ny kolo-tsaina Malagasy izay tsapan’ity fikambanana ity fa very hasina ka adinon’ny taranaka fara mandimby. Ankoatra izay ny fitandroana ny fihavanana Malagasy, fanentanana sy fampirisihana ny tsirairay handoa hetra, fikajiana sy fanadiovana ny tontolo iainana mba ho ara-pahasalamana ary famoronana sy fanohanana tetikasa ho an’ny tsy an’asa rehetra.

Nomarihan’ny filohan’ny fikambanana vaovao, Andrianarivelo Hasina fa efa betsaka tsy ho voatanisa ny hetsika nataon’ny fikambanana « TAMBOHOBE » amin’izany ady amin’ny herisetra izany nadritry izay 17 taona nijoroany izay.

Nirina R.


One comment on “TAMBOHOBE : Mitohy ny ady amin’ny herisetra

  1. Pingback: TAMBOHOBE : Mitohy ny ady amin’ny herisetra - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *