Auteur R Nirina


FEDERASIONAN’NY SEMPAMA ANTANANARIVO: Manahy ny tsy hahatanteraka ny veliranon’ny Prezidàn’ny Repoblika


« Manamarina ny valan-dresaka nataon’ny Prezidà Rajoelina Andry  tamin’ny mpanao gazety ny tombana nataonay ». Nanao tombana ny toe-draharaha eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, fampianarana ara-teknika sy fampiofanana arak’asa ny federasionan’ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe eto Madagasikara (SEMPAMA) sampana Antananarivo ka nampahafantariny tamin’ny alalan’ny tafa ho an’ny mpanao gazety izany  ny 27 janoary 2020 teny Mahamasina. Continuer la lecture →


FAMOTORANA NY RAHARAHA TANY ENY NANISANA: Tsy misy idiran’ny resaka politika


Zavatra roa samy hafa. Taorian’ny fitsirihana sy famotorana nataon’ny “direction de la police judiciaire” (DPJ) eo anivon’ny zandarimaria sy ny polisim-pirenena momba ny fitoriana napetraky ny ministeran’ny fambolena, manoloana ny fidirana antsokosoko tao amin’ny tanim-panjakana eny Nanisana dia olona folo no voatonotonona ho tompon’ny tany sy tompon’heloka. Continuer la lecture →


GROUPE FILATEX- DERA ENERGY: Hamatsy herinaratra avy amin’ny angovo maitso ao Toamasina


Fampihenana ny saran’ny famokarana herinaratra ataon’ny Jirama.. Ho tohiny fampahafantarana tamin’ny taona 2019, ao anatin’ny tanàn-dehibe efatra nosafidian’ny vondron’orinasa Filtex sy ny orinasa kanadiana « Danish Energy Regulatory Authority »  (Dera Energy)  hanatanterahana ny tetikasa famatsiana herinaratra avy amin’ny angovo maitso i Toamasina. Continuer la lecture →