Faits-divers

FAMOTORANA NY RAHARAHA TANY ENY NANISANA: Tsy misy idiran’ny resaka politika


Zavatra roa samy hafa. Taorian’ny fitsirihana sy famotorana nataon’ny “direction de la police judiciaire” (DPJ) eo anivon’ny zandarimaria sy ny polisim-pirenena momba ny fitoriana napetraky ny ministeran’ny fambolena, manoloana ny fidirana antsokosoko tao amin’ny tanim-panjakana eny Nanisana dia olona folo no voatonotonona ho tompon’ny tany sy tompon’heloka. Ankoatra ny mpanao gazety iray izay maha be resaka ankehitriny dia misy manamboninahitra lefitra ao amin’ny zandarimaria ihany koa anatin’ireo olona ireo.  Efa natolotra ny fitsarana omaly 24 janoary 2020 izy ireo ary mbola mitohy androany ny fanadihadiana. Araka ny fanazavan’ny tale misahana ny DPJ eo anivon’ny zandarimaria, Colonel Bototsara Nathanael James tamin’ny tafa ho an’ny mpanao gazety androany 25 janoary 2020 fa “nahazo baiko avy amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny komandy ny zandarimaria fa tsy maintsy misokatra ny famotorana io raharaha io. “Natsangana teo  anivon’ny direction de la  police judiciaire ny enquête mixte izay iarahanay avy ao amin’ny zandarimaria sy ny polisy nasionaly. Manoloana izany dia tsy maintsy nisy ny fidinana teny ifotony, momba fidirana antsokosoko tsy misy taratasy ara-dalàna. Misokatra ny fanadihadiana ka hita fa misy ny vesatra hiampangana ireo olona ireo”, hoy izy.

Nambaran’ny Colonel Bototsara Nathanael James fa  araka ny lalàna famaizana, andininy  faha-96  fa raha misy fidirana tsy ahazoana taratasy na fizarana tanim-panjakana ary indrindra fanimbana foto-drafitr’asa izay efa  eo an-toerana dia voatery tsy maintsy misy ny fisamborana. Nohamafisiny fa “tsy nisy fisavàna trano, tsy nisy fanagiazana , tsy nisy fepetra “garde à vue” satria efa olona fantatra avy ireo. Rehefa tonga  ny fotoana nitondrana azy teny anivon’ny fitsarana, dia nantsoina izy ireo ary tonga  soamantsara teny an-toerana”.  Nilaza izy fa zavatra roa samy hafa ny raharaha ny fisavàna tranon’ilay mpanao gazety sy ity fitoriana nataon’ny ministeran’ny fambolena tamin’ny 21 janoary 2020 ity.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *