Edito

PANIER GARNI : Ohatrinona tokoa ny fitambarany ?


Vao nanomboka ny taona 2020 dia olana i  « Panier Garni ».  Nampisy ady hevitra teto amin’ny firenena ity hoe : « Panier Garni ». Mitaraina ny atsy, mitaraina ny aroa. Tonga hatramin’ny fitokonan’ny mpampianatra amin’ny fanjakana ho an’ireo mahatsapa fa kely ny sora-bola raisiny. Misamaritaka ny fampianarana noho i « Panier Garni ».  Vola am-paosin’ny prezidà ve izy io sa nivoaka tao amin’ny fitantanam-bolam-panjakana ? Raha toa ka vola am-paosin’ny Prezidà dia vola avy aiza ?  Ary iza no tomponandraikitra nizara azy tany amin’ny ministera tsirairay avy ? Raha nivoaka tao amin’ny fitantanam-bolam-panjakana dia nahoana no misy an’izao tsy fitoviana amin’ny vola raisina izao. Tafiditra tao anatin’ny teti-bolam-panjakana 2019 ve? Voalaza tamin’ny filan-kevitry ny ministra ve ny sora-bola manontolo ? Ny olana tamin’ity resaka « Panier Garni » ity koa ny tsy fahampian’ny vaovao avy any amin’ny fiadidian’ny Repoblika. Mety varina ve ny tomponandraikitra ny serasera sa ve tsy mahafantatra dia tsy manana ho lazaina ? Raha ny vaovao ofisialy dia vola avy amin’ny Prezidàn’ny repoblika izy io. Fanomezana tamin’iny faran’ny taona iny ho an’ireo mpiasam-panjakana. Raha ny fampitam-baovao navoakan’ny Governemanta tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny, ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana dia 65.000 Ariary ny anjaran’ny mpiasam-panjakana tsirairay manerana ny nosy. Nisy tokoa ve izany ny fanodikodinam-bolam-panjakana ? Ny fanambarana navoakan’ny governemanta ihany no milaza fa hisy ny fanadihadiana ataon’ny « Inspection Générale d’Etat » ( IGE )mba hahafantarana ny marina. Sahin’ny tomponandraikitry ny mpizara ny vola ve ny naka ny tokony an-jaran’ny sasany ? Sao kosa ary tsy nazava taminy na tsy nisy taratasy ny nandraisany ny vola tany amin’ny Prezidàn’ny Repoblika ? Azo antoka kosa  fa tsy maintsy hisy ny sazy ho an’izay tratra fa nikepoka ny an-jaran’ny sasany.

Asa izay hiafaran’ity resaka « Panier Garni » ity sa ve andrasana hanazava ny Prezidà vao hilamina tanteraka i « Panier Garni ».

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *