Socio-eco

FEDERASIONAN’NY SEMPAMA ANTANANARIVO: Manahy ny tsy hahatanteraka ny veliranon’ny Prezidàn’ny Repoblika


« Manamarina ny valan-dresaka nataon’ny Prezidà Rajoelina Andry  tamin’ny mpanao gazety ny tombana nataonay ». Nanao tombana ny toe-draharaha eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, fampianarana ara-teknika sy fampiofanana arak’asa ny federasionan’ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe eto Madagasikara (SEMPAMA) sampana Antananarivo ka nampahafantariny tamin’ny alalan’ny tafa ho an’ny mpanao gazety izany  ny 27 janoary 2020 teny Mahamasina. Nambaran’ny filohan’ny federasionan’ny Sempama Antananarivo fa mazava ny tenin’ny Prezidà nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety.  Nisy tsy fahaizana mitantana na fanodikodinam-bola tamin’ny fitantanana ny ministera. Izay toe-javatra izay dia nampitsikafona zavatra maro teo anivon’ny ministera. Nilaza i Tomarielson Espérant fa manjakazaka ny kiantranoantrano amin’ny fampidirana mpiasam-panjakana. Tsy mazava hoy izy ny fampiharana ny mason-tsivana satria mbola feno kolikoly: olona feno 10 sy 20 taona niasana tsy noraisina fa olona vao omaly sy roa taona no noraisina. Santionany amin’ny tombana nataon’ity federasionan’ny Sempama Antananarivo ity ihany koa  ny fahasimban’ny kalitaon’ny fampianarana sy fanabeazana satria saika izay olona rehetra mangataka fahazoan-dalana hampianatra dia mahazo avokoa. Araka ny fanazavan-dry zareo hatrany dia tsy mandeha araky ny tokony ho izy ny fizarana ny « kits scolaires ». Misy mahazo fa misy ihany koa no tsy mahazo. Ary ny tena mampalahelo hoy izy dia efa miparitaka eny an-tsena ireo kits scolaires ireo. Iza no tomponandraikitra amin’izany? Noho izany rehetra izany dia  manahy izahay sao dia ato aminay no tadiavina lalaovina ka tsy ahazoan’Andriamatoa Prezidàn’ny  Repoblika manatanteraka ny velirano sy ny fanamby nataony ho an’ny firenena.

Lynda A.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *