Socio-eco

EPP MAIBAHOAKA: Ho ezahina tanterahina ny fanirian’ireo mpianatra


Havadika ho azo tsapain-tanana. Nitafa niaraka tamin’ireo mpianatry ny EPP Maibahoaka Ivato ireo tomponandraikitra ao amin’ny Orange Madagascar, androany 24 janoary 2020. Tsy mijanona amin’ny fanomezana tolotra mifanaraka amin’ny filan’ny mpanjifa amin’ny maha orinasam-pifandraisan-davitra azy ihany ny Orange fa mikatsaka ihany koa ny mahasoa ny mpiara-belona amin’ny lafiny ara-tsosialy hahatrarana ny fampandrosoana maharitra. Nasaina naneho fomba fijeriny ny atao hoe: tontolo tsaratsara kokoa ireo mpianatra. Tamin’ny alalany ohatra an-tsary nataon’izy ireo dia hevitra maro no nivoaka. “Hiezaka handika sy hampihatra izany ho lasa azo tsapain-tanana amin’ny fiainana andavanandro  ny Orange Madagascar”, araka ny fampitam-baovao voaray.

Ankoatra izany, nanolotra boky  ho an’ny sekoly ny tomponandraikitra avy ao amin’ny orinasa. Manampy amin’ny fampitàna ny fahalalana ireo boky ireo. Mpianatra 243 no nisitraka izao hetsika nataon’ny Orange Madagascar izao. Nofaranana tamin’ny alalan’ny fizarana vatomamy sy biscuit ny fihaonana nataon’izy ireo.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *