Catégorie Actus



ADY TANY AO AMIN’NY LABANDY AO MAMPIKONY SY PORT BERGÉ : Miaina anaty fijaliana na ireo mponina mitsoaka any anaty ala na ireo mijanona an-tànana


Mizara roa ny fokonolona ao amin’ny fokontany folo (10)  ao Mampikony sy Port Bergé faritra Sofia noho ny ady tany izay mitondra ny anarana hoe  « Lot de colonisation Port Bergé, lot 41 »  mirefy 3000 hektara. Ny ankilany miaraka amin’ny Cotona Real Estate milaza ho tompon’ny tany  ary ny andaniny miady ny tany satria efa nanajary an-taonany maro. Lasa mitsoaka any anaty ala ny vatan-dehilahy nanajary ny lemak’ i «Labandy»  noho ny fanenjehana azy ireo. Niharan’ny fandrahonana, vono, fandrobana fananana ireo mijanona ao an-tanana. Nopotehin’ ny traktera ampolony nalefan’ny milaza tompon’ny tany ny  voly vary.

Toy ny any amin’ny tany miady. Zaza amam-behivavy sy beantitra sisa no mijanona ao an-tànana  ary lasa any anaty ala kosa ireo lehilahy matanjaka vokatry ny ady tany misy eo amin’ny fokonolona nanajary ny tany sy ny orinasa Cotona Real Estate milaza fa tompon’ny «Labandy»  ao Mampikony sy Port Bergé. Continuer la lecture


BAOLAI : PROMOTION SPECIAL PAQUES


Rehefa manakaiky toy izao ny fetin’ ny paska dia maro ireo magazay lehibe eto amintsika no manavao ny tolotra omeny.

Anisan’ izany ny Tranombarotra « Baolai » etsy Analakely, Soarano sy  ao Bazar – be Toamasina izay ahitana entana « 1er choix », mifanaraka amin’ ny filana sy sy fahefa mividy ny besinimaro hatrany. Ity Tranombarotra lehibe iray ity no masovoho ofisialy ny marika « Hisense » eto Madagasikara efa ho 12 taona lasa izao. « Amin’ izao fotoana izao, dia misy promotion spéciale « Fêtes de Pâques » ato aminay. Ary hisy ny « cadeaux surprises » homenay » hoy ny tompon’ andraikitra. Ny atsipirany izany rehetra izany,  dia ho hita ao amin’ ny site web sy pejy facebook baolai ary ao amin ny laharana antarobia 020 22 308 48 020 sy 0 20 22 605 88. Continuer la lecture


AFRICA CULTURE INTERNATIONAL : Les sociétés civiles réclame la libération des enfants enrôlés dans les camps de Tindouf


L’ONG Africa Culture International et les acteurs de la société civile issus des Provinces du Sud condamnent  avec la plus grande fermeté et expriment leur préoccupation croissante quant aux violations commises à l’égard des enfants dans les camps de Tindouf et au recrutement forcé dans les rangs des milices. Continuer la lecture