Socio-eco

GSDM: Sekoly miisa 12 ao Boeny ampianarina ny « agroécologie »


Lasa mamokatra ny tany karakaina. Noho ny fahitan’ny GIZ ny vokatra azo tamin’ny tetikasa fampidirana ny “agorécologie” any an-tsekoly tao Vakinankaratra, nataon’ny GSDM dia sekoly miankina amin’ny fanjakana sy tsy miankina miisa 12 ao amin’ny faritra Boeny ampianarana ity fomba fambolena maharitra ity. Amin’ny alalan’ny tetikasa ProSol tanterahina ao Boeny izay sahanin’ny GIZ (Coopération allemande) ary vatsian’ny  ministera federaly alemana misahana ny toekarena sy fampandrosoana (BMZ)  no nahafahana  nampiditra izany ao anaty fandaharam-pianarana. Nanomboka tamin’ny taona 2018 ny tetikasa ProSol ary tsy hifarana raha tsy ny taona 2025. Kaominina 11 no hiasany. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny tetikasa fa tafiditra ao anatin’ny politikan’ny faritra ny fanaovana“agroécologie”. Anisan’izany ny fampiofanana ny mpianatra ireo teknikam-pambolena maharitra. Ny GSDM no misahana ny fampiofanana ireo mpampianatra. Ny mpampianatra kosa no mampita azy any amin’ny mpianatra. Kilasy fahaenina sy fahadimy no hampianarana azy ity. Ankoatra ny fampitana an-tsoratra (théorie) dia misy ny fampiharana eny amin’ny saha sekoly ka sekoly telo (03) tamin’ireo 12 no notsidihana nandritra ny “journées Agroécologiques” tao Boeny ny 26 ka hatramin’ny 28 Aprily 2022 lasa teo. Ny CEG Ankazomborona sy Ampitolova ary Tsaramandroso no nanaovana fitsidihana.

Gaga ny manodidina

Randriamiarana Vololona, teknisian'ny GSDM

Randriamiarana Vololona, teknisian’ny GSDM

Santionany amin’ireo karazana teknika momba “agrocologie” ny voly rakotra. Anisany nanaovan’ireo mpianatry CEG Ankazomborona fampiharana izy ity. Zava-maitso toy ny cajanus (ambatry na amberivatry), mucuna, lojy no nampiasaina tamin’ireo voly rakotra. Nambolena vary ny saha sekoly rehefa avy nanaovana voly rakotra. “Mamerina ny tsiron’ny tany ireo zava-maitso. Ny tombony dia ao ambany izy mangady, solon’ny angady izany ary manome rivotra ny tany ireo fakany”, hoy Randriamiarana Vololona, teknisiana avy ao amin’ny GSDM. Nambarany fa nihatsara ny tany taorian’ny fambolena ireo rakotra. Raha karakaina, mena be ny tany tamin’ny voalohany dia niova ho matroka ary nahavokatra ireo vary. Marihina fa tany 1 hekatra  ny saha sekoly nampiasain’ny CEG Ankazomborona.

Rasoatafitanomenjanahary Mariline, mpianatra avy ao amin'ny CEG Tsaramandroso

Rasoatafitanomenjanahary Mariline, mpianatra avy ao amin’ny CEG Tsaramandroso

Raha ny fijoroana vavolombelona nataon’i Rasoatafitanomenjanahary Mariline, mpianatra avy ao amin’ny CEG Tsaramandroso fa mamelona ny tany ny voly rakotra.  » Raha tany tsy dia mamokatra dia afaka ampiasaina ny agroécologie fa mamokatra avy eo », hoy izy. Voly vary sy rakotra « cajanus » no nambolen’ireo mpianatrin’ny CEG Tsaramandroso tamin’ny taona 2021. Voanjo no natao tamin’ity taona 2022 ity. « Gaga ny olona fa tany karakaina lasa mamokatra », hoy i Zafimaria Estera, mpampianatra SVT ao amin’ity sekoly ity. Nohamafisin’ny tale mpanatanterakin’ny GSDM Rakotondramana fa na hanohy fianarana na hanao tantsaha ny mpianatra dia tokony ahafantatra ny fambolena maharitra satria isika olombelona ihany  no manimba ny tany. Nambarany fa nitondra fiovana toetsaina teo amin’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra ny fampidirana ny agroécologie tany an-tsekoly. Resy lahatra izy ireo fa mamerina ny tsiron’ny tany  ity teknika ity.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *