Azo atao ny manaraka ny fomban-drazana raha toa ka matin’ny pesta ilay olona. Misy fepetra kosa anefa napetraky ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Nankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS) ny tolotra ahafahana manao fandevenana mendrika sy manaraka ny fenitry ny fahasalamana. Continuer la lecture
Catégorie Actus
KAIZEN : Teknika mampiroborobo isan’andro
Nianatra momba ny haitao sy toe-tsaina mivoatra isan’andro (kaizen) ny vehivavy ny antoko mpitolona ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara (MFM). Atrik’asa narahina fiofanana no nanamarihan’izy ireo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Continuer la lecture
Pasitera MAILHOL : Ny kolikoly mampamangy, ny tany miverina amin’ny tompony.
Tao aorian’ny nanaovan’ny antoko politika GFFM “ Gideona ho Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara” kongresy nasionaly tamin’ny herinandro lasa iny, nanampan-kevitra izy ireo fa i Pasitera MAILHOL André Christian Dieu Donné no kandidan’ny antoko amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Continuer la lecture
LEADERSHIP CHRETIEN ET DEVELOPPEMENT: Tetikasa goavana ny « auditorium »
Vinan’asa tontosain’ny fikambanana « Leadership Chrétien Développement » na LCD ho an’ny taona 2018 – 2019 ny fanamboarana « auditorium » . Vinavinaina ho mahazaka olona 2800 izy ity ary eny amin’ny kaominina Ampitatafika no hanaovana azy. Continuer la lecture
ORANGE SOLIDARITÉ: Manampy vehivavy hahaleo tena
Ahitana “maison digitale” avokoa ny boriborin-tany enina eto Antananarivo renivohitra. Natao hampiofanana ny vehivavy ny tontolon’ny nomerika sy ny informatika ireo foto-drafitrasa ireo. Tetikasa niarahan’ny kaominina an’Antananarivo renivohitra niasa tamin’ny fikambanana “Orange Solidarité” izy ity. Continuer la lecture
FONGOTRA NY LEFAKOZATRA : Manaporofo ny fanjakana
Nahazo fampiofanana ireo tomponandraikitra mpanara-maso ifotony ny aretina voatsabo amin’ny alalan’ny vaksiny (SMEV). Nohamafisina ny fahaiza-manao efa hananan’izy ireo. Nandritra ny telo andro, nanofana ireo tomponandraikitra (point focal) avy amin’ny distrika manerana an’i Madagasikara ny fianakaviambe iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS). Continuer la lecture
FIHARIAN-KARENA: Mahavita azy ny vehivavy
Vehivavy avy amin’ny faritra 22 mampiranty sy mivarotra ny vokatry ny tany, ny asan-tanana mampiavaka ny faritra tsirairay. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ity hetsika « vohitra kanto fihary », eny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ity. Continuer la lecture
VIOLENCE CONJUGALE A MADAGASCAR: Coutume, base du conflit
Les femmes Malagasy persévèrent face aux violences conjugales même si elles souffrent. La coutume et l’inquiet de l’avenir les obligent à supporter la violence physique, sexuelle, morale, verbale et économique. Les hommes abusent à agresser, à abuser sexuellement, à insulter leurs femmes et les à empêcher à travailler.
KRISTIANINA MANAM-PAHAIZANA Tarigetra ny fampandrosoana mirindra
Amin’ny alahady 11 martsa 2018 ny fivoriana iraisam-pirenena fanaon’ny “Leadership Chrétien Développement” (LCD) isan-taona. Eny amin’ny CCI Ivato no hanatanterahina izany. Continuer la lecture
HOMAMIADANA MPAHAZO NY VEHIVAVY: Voasoroka rehefa fantatra mialoha
Tonga eto Antananarivo ny fiara “Luisa” hanao fitiliana maimaim-poana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza. Mandritra ny enina andro, handalo eny amin’ny fokontany Ambatoroka, Andohan’i Mandroseza, Antanimora, Manakambahiny ity fiaran’ny “Fondation Akbaraly” ity. Manomboka ny alatsinainy 12 ka hatramin’ny 17 martsa ny hetsika. Continuer la lecture