Sport

CAN 2019: Voatazon’i Barea ny laharana faha-24 maneran-tany


Nifandanja ny lalao nihaonan’i Madagasikara sy ny Senegaly na dia nanatombo teo amin’ny fitazomana baolina aza ny Barea . 65% ho an’ny ekipa-pirenena Malagasy ary 35% ho an’ny Senegaly izany tamin’ny fiafaranan’ny lalao tetsy amin’ny kianaja ben’i Mahamasina omaly 09 Septambra 2018. Voatazon’i Barea tamin’ny ady sahala 2 sy 2 ny laharana faha-24 maneran-tany sady « mondialiste ». Nanao antso avo amin’ny fitondrana mahefa ny kapiten’ny ekipa-pirenena Malagasy, Faneva Ima mba hitady vahaolana amin’ny fiaramanidina mivantana avy any Guinée Equatoriale mandeha aty Madagasikara satria mifanakaiky ny andro anaovana ny lalao mandroso sy miverina hifanandrinan’ny roa tonta amin’ny andro faha telo. Ny Alarobia 10 Oktobra 2018 ny lalao mandroso atao any Guinée Equatoriale ary ny Sabotsy 13 Oktobra 2018 ny lalao miverina atao eto Madagasikara ka nanaovan’ny Barea antso avo ity. « Tsy misy fiaramanidina mivantana avy any Guinée Equatoriale mandeha aty Madagasikara » , hoy i Faneva Ima.
Nampiseho endrin-dalao nahafinaritra ny roa tonta tamin’ity lalao ity. Ny Senegaly no nahatafiditra ny baolina voalohany tamin’ny alalan’i Moussa Konate ny 26 minitra. Roa minitra tsy hifaranan’ny fizarana voalohany no nahatafiditra ny baolina nahasahala ny isa ny Barean’i Madagasikara tamin’ny alalan’i Voavy Paulin. Nahatafiditra baolina iray indray ny ekipa-pirenena Senegaly tamin’ny 61 minitra izay tafiditr’i Keita Balde. Tsy nitsahatra nanafika anefa ny ekipa-pirenena Malagasy ka nahitam-bokatra izany tamin’ny minitra faha-67. Baolina voalohan’i Carolus notsenain’ny tamin’ny lohany ka tonga teo amin’ny tongotr’i Koulibali izay namono tena. Nahomby noho izany ny fanoloana an’i Voavy paulin ka nidiran’i Carolus. Afa-po tamin’ny vitan’i Barea ny mpijery sy mpankafy baolina kitra Malagasy. Mijanona amin’ny laharana faha-2 hatrany izany ny ekipa-pirenena Malagasy ary mitarika vonjy maika kosa ny Senegaly izay samy manana isa 4 avy. Marihana fa ao anatin’ity vondrona A misy an’i Madagasikara sy Senegaly ihany koa i Guinée Equatoriale sy Soudan. Laharana faha-telo amin’izany i Guinée Equatoriale manana isa telo tao aorian’ny lalao nifanandrinan’i Guinée Equatoriale sy Soudan ny Sabotsy 08 Septambra 2018 lasa teo.
Ankoatra izay, nitsikera ny kianjan’i Mahamasina ny ekipa-pirenena Senegaly. Tsy izy ireo ihany anefa fa na ny mpitantara baolina tao amin’ny Canal+ ary ny mpijery baolina kitra Malagasy. Mangataka ny hikojakojana ny kianja noho izany ny mpitia baolina Malagasy izay tonga maro tetsy Mahamasina nanohana ny Barea.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *