Socio-eco

FANADINANA BAKALOREA: Nanafatrafatra ny tomponandraikitra


Hanomboka ny alatsinainy 17 septambra 2018 ary hifarana ny alakamisy 20 septambra 2018 ny fanadinana bakalôrea ho an’ny fampianarana ankapobeny. Mbola hitohy ny zoma faha-21 septambra kosa izany ho an’ireo mpianatra manao adina an-tsoratra ny taranja fanatajahantena. Ny alatsinainy 24 septambra 2018 kosa ny fanadinana bakalôrea ho an’ny fampianarana teknika.  Efa tokony ho eny am-pelantanan’ny mpiadina miisa 74.811 ny  “convocation”. Nambaran’ny tale nasionalin’ny fanadinana, Olivier Rakotoarison fa raha misy amin’ireo mpiadina no mbola tsy nahavoaray izany na diso ny anarana dia mila manatona eny amin’ny “direction nationale des examens” eny Ankatso izy ireo. Ankoatra izany, mbola namindràna fo ireo mpiadina tsy tonga nanatanteraka ny adina ara-panatajahantena (EPS). Tsy manankery ny adina an-tsoratra amin’ireo taranja hafa raha tsy manana naoty EPS ny mpiadina. Mbola afaka mamita izany hatramin’ny alakamisy 13 septambra 2018 ireo tsy nahavita EPS.

Hafatra

Mety hiafara eny amin’ny fitsarana ny fakana tahaka.  Mba tsy hisian’ny fakam-panahy dia manentana ny mpiadina rehetra ny tale nasionalin’ny fanadinana mba tsy hitondra taratasy mirakitra lesona. Ho an’ny taratasim-panadinana dia ampatsiahivina ny mpianatra mba hameno ny mombamomba azy amin’ny faritra voatondro hanaovana izany ary tsy maintsy soniavin’ny mpiambina iray mialoha ny hanakatonana azy. Tsy maintsy misy sonia miisa roa an’ny mpiambina ny taratasim-panadinana rehefa mamerina izany ny mpiadina. Manaraka izany, mila mameno ny taratasy manarina ny fahatongavana ihany koa ny mpiadina tsirairay raha tsy izany tsy manan-kery ny taratasim-panadinana. Marihina fa 11 taona ny zandriny indrindra ary 75 ny zokin’indrindra amin’ireo mpiadina amin’ity fanadinana bakalorea 2018 ity.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *