Catégorie Actus



Lehiben’ny Faritra mpisolo toerana ao Boeny : Tena ilaintsika ny fakan-kevitra ho an’ny politikam-pirenena ho fampandrosoana


Atao eto an-dRenivohitry ny Faritra Boeny eto Mahajanga  nanomboka ny Alatsinainy 14 Oktobra 2019 hatramin’ny Zoma 18 Oktobra 2019 ho avy izao ny fakan-kevitra iray ho fametrahana ny politikam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana. Raisin-dry zareo eo anivon’ny PAGE/GIZ an-tanana ny fikarakarana ity fakan-kevitra ity…, ary tohanan’ny vondrona eraopeana sy ny BMZ.

Tombony lehibe ho an‘ ny faritra Boeny ny hanaovana ny atrikasa momba ny fakan-kevitra amin’ny fametrahana ny politikam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana ny foto-drafidrasa sy ny fampitaovana (politique nationale de développement des infrastructures et équipements), hoy ny lehiben’ny Faritra Boeny mpisolo toerana Bazezy Vonombe Clovela Roslan. Continuer la lecture


BETAFO ANTSIRABE : Olan’ny rano fisotro madio


Tsy mety milamina araky ny nambaran-dRa-THEO (FIBEMIH), mpitarika ny fiarovana ny Zon’ny mpanjifa ao Betafo ny fomba fitantanana ny rano fisotro madio ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Betafo, satria mitongilana mankany amin’ny mpitantana ny rano fotsiny hatrany ny fiarovan’ny tompon’andraikim-panjakana ao an-toerana sy ny eo anivon’ny Sampandraharaham-paritry ny Rano Vakinankaratra ny zo sy ny tombontsoa fa tsy misy fijerevana velively ny zo sy ny tombontsoan’ny Mpanjifa!

Continuer la lecture


Baka : Tsy haintsika ny manala azy


Mandritra ny sivy volana eo ho eo ny tanora no manomana ny fanadinana baccalauréat rehefa tody eo amin’ny  12 taona ngarangidina  nianarana hatrany amin’ny garabola. Misy ny hambinina kokoa, na mitsambikimbikina dia ikohizan’ny mpiray monina fa mahay sy tapitr’ohatra ka na dia vao 13 taona monja àry ilay « zaza » dia hiatrika io fanadinana io. Tsara izany e !  Continuer la lecture