Socio-eco

GRANDE BRADERIE : Miavaka amin’ny fihenam-bidy


Hanao varo-boba ny mpandray anjara ao amin’ny « Grande braderie » amin’ity andiany manaraka ity. Handany ny entany ireo mpivarotra satria hanomana ireo entana vaovao hiatrehana  ny krismasy. Manana dimy andro ireo mpanjifa hanararaotana ny varo-boba ity. Hisy noho izany ny fihenam-bidy ataon’ireo mpandray anjara sady mampiavaka ny « Grande Braderie » raha teo izany. Hanomboka ny Alarobia 23 Oktobra ka hatramin’ny Alahady 27 Oktobra 2019 ny hetsika izay atao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Miisa 200 mahery ireo trano eva ho hita eny an-toerana amin’io dimy andro io. Hiavaka ihany koa ity hetsika karakarain’ny Mada vision ity satria azo jifaina eny  ireo entana ilaina amin’ny andavan’andro, ireo fitaovam-pianarana isan-karazany ary ny kojakoja ao an-tokantrano.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *