Catégorie Sport



OPEN INTERNATIONAL BMOI – MADAUTO : Handrefesana ny fivoaran’ny fahaizan’ny mpilalao tennis malagasy


Manatsara ny tontolon’ny taranja tennis eto Madagasikara ny fikarakarana fifaninana iraisampirenena. Nanomboka ny taona 2012 no efa nanohana ny « Open International » ny BMOI. Lalao karakarain’ny Country Club miaraka amin’ny ligin’ny tennis Analamanga izy ity. Tanterahina ny 5 ka hatramin’ny 10 novambra 2019 ny andiany fahafito. Nambaran’ny Filohan’ny Country Club, Rakotonindriana Josoa nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny 31 oktobra 2019 fa atao isan-taona ny Open International mba hampivoarana tennis eto Madagasikara. Manampy amin’ny fandrefesana ny fahaizan’ny mpilalao eto an-toerana ny fifandonana amin’ireo sangany any ivelany, hoy izy. Mampatsiahy ny tale jeneralin’ny BMOI, Merlot Alain fa manohana taranja tennis ny banky izay tantaniny satria mifototra amin’ny fenitra takiana amin’ny mpilalao, ohatra hentitra, marina, manome ny tsara indrindra, ny tolotra omeny ny mpanjifa.

Mpilalao

Ho an’ny sokay tokana, 32 ny mpilalao lehilahy hifaninana ary 16 ny vehivavy. Valo ny lehilahy ho any sokajy ho an’olon-droa ary miisa valo ihany kosa ny vehivavy. Nisy fanomanana ireo mpilalao malagasy ka ireo sangany tamin’ny fifaninanana natao ny volana septambra no nifantenana handray anjara amin’ny Open International. Valo ny lehilahy sangany tamin’ny fifaninanana: Njaka Randriamalala, Tsilavina Joharimboahangy, Max Fontaine, Louis Leccia, Thierry Solofonomenjanahary, Dimitri Rabeson, Evah Angelo Tanjondray, Roméo Rakotomalala Roméo. Efatra ny vehivavy: Miarana Andrianafetra, Fikasana Rakotomalala, Ravaka Ramantoaniana et Fitia Andrianafetra. Hanatevin-daharana ireo mpilalao malagasy hafa toa an’i Miary Zo Rakotondramboa, Tsiorisoa Rakotoarilala, Valentin Jerome, Jean Luc Cirotte (wild cards); Sariaka Radilofe, Iariniaina Tsantaniaina, Miora Andrianatoandro, Fitia Ravoniandro, Safidisoa Nomenjanahary, Miora Raolison (dames), Randy Rakotoarilala, Matina Razafimahefa ( wild cards) izy 12 mianadahy ireto. Ankoatra azy ireo dia nanasa mpilalao malagasy milalao any ivelany ihany koa ny mpikarakara. Amin’ny maha fifaninanana iraisampirenena azy dia nanasa mpilalao sangany avy any Argentine, France, La Réunion ary Italie ihany koa ny Country Club. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, mitentina 12 tapitrisa Ariary ny loka ho zaraina ho an’ireo mendrika indrindra.

Nirina R.


CHAN: Vonona ny handresy ny Barea


Nampahafantarina androany 26 jolay 2019 ny lisitr’ ireo mpilalao 23 mandrafitra ny Barea hifandona amin’ny ekipam-pirenena mozabikanina, etsy Mahamasina ny alahady 28 jolay 2019 ho avy izao. Raha ny vaovao voaray dia hisokatra amin’ny 7 ora maraina ny vavahadin’ny kianjaben’i Mahamasina amin’io fotoana io. Nivelatra ny klioba 16 manerana an’i Madagasikara no nangalàna ireto mpilalao ireto hoy ny mpanazavatra, Maître Franklin. Iray volana no nanaovan’ny ekipam-pirenena malagasy ny fanomanan-tena ka efa vonona na ara-tsaina na ara-batana na ara-teknika izy ireo hiatrika ny lalao fifanintsanana  amin’ny CHAN ny alahady izao io. Nampanantena ny kapiteny Ando fa vonona handresy ny ekipam-pirenena mozabikanina ny Barea ary hiezaka hiaro ny voninahitr’i Madagasikara tahaka nataon’ireo Barea tamin’ny CAN 2019 tany Egypte.

Ireto avy ny anaran’ireo mpilalao:

  • LEDA (Cnaps Sport)
  • JOMA (AS Jet Mada)
  • NINA (AS Adema)
  • TOBY (Cnaps Sport)
  • THEODIN (Fosa Juniors)
  • PATRICK (Ajesaia)
  • DA-TSIRY (AS Adema)
  • GAUCHE KELY (Zanakala)
  • BERAJO (Zanakala)
  • ROJO (Ajesaia)
  • RICHARD (3FB)
  • ELEFONI (Fosa Juniors)
  • DAHERY (Fosa Juniors)
  • LALAINA (Cnaps Sport)
  • LOLODY (Fosa Juniors)
  • BAGGIO (Fosa Juniors)
  • ANDO (Cnaps Sport)
  • TSITO (AS Jet Mada)
  • ARNAUD (Cnaps Sport)
  • FREDERIC (Costm)
  • ELIO (Zanakala)
  • MIHARY (AS Jofama)
  • ROMY (Tia Kitra)

Marihina fa amin’ny herinandro ambony ny lalao miverina

Nirina R.


FIFIDIANANA FILOHA SY KOMITY MPANATANTERAKY NY FMF: Vao tsy manomboka akory ny lalao dia efa misy manao hosoka


Manana telo andro ireo kandida nametraka antonta-taratsay amin’ny fifidianana ho filoha sy komity mpanatanteraky ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) hanaovana fampakarana raha tsy mahafa-po azy ny fanapahan-kevitra navoakan’ny komity mpikarakara ny fifidianana. Ao anatin’ny dimy andro kosa no handinihan’ny « Comité de normalisation » (CDN)  izany ka aorian’izay vao havoaka ny lisitry ny kandida raikitra, izan hoe ny 01 aogositra 2019. Omaly 23 jolay 2019 tamin’ny 4 ora hariva no nampahafantarin’ny CDN ny lisitra vonjimaika an’ireo mpifaninana amin’ny fifidianana atao ny 24 aogositra 2019, any Ifaty Toliara. Raha ho an’ny kandida ho Filoha dia enina no nanatritra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana. Ny dimy tamin’ireo nahazo taratasy avy amin’ny CDN fa nahafeno fepetra ny antonta-taratasin’izy ireo.

Ireto avy ny anaran’izy dimy mirahalahy voatazona: Andriamiasasoa Doda, Mohamad Abdillah, Arizaka Rabekoto Raoul, Rasoamaromaka Herilalaniaina ary Rakotomamonjy Neypatraiky. Tsy nanara-dalàna kosa ny faha-enina satria telo  andro tao aorian’ny fetr’andro hanaterana dosie izy vao tonga nanatitra ny azy. Fanampin’izay tsy nahazo fankatoavana tamin’ny avy amin’ny filohan’ny ligy telo ny tenany.

Ho an’ny komity mpanatanteraka indray dia 37 ny kandida ka ny 30 tamin’ireo no voatazona.

Ny fito ambiny tsy nahafeno ny fepetra. Tao no tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny filohan’ny ligy roa. Nisy tamin’izy ireo no nampiasa fitombokase sy sonia hosoka », hoy filohan’ny CDN, Atallah Béatrice. Ireo kandida avy any amin’ny faritra Ihorombe no nahatrarana izay. Rehefa nojerena ny fitombokasen’ny filohan’ny ligy dia ilay taloha no nipetaka tamin’ny antontan-taratasy kanefa efa niova io fitombokase io ka izay no nahafantarana azy fa hosoka, hoy hatrany ny filohan’ny CDN.  Tsy hitory kosa anefa ny  CDN fa anjaran’ny  ligy voakasika ny manao ny fitorina raha tiany ny hanao izany.

Marihina fa iray no ho filohan’ny FMF ary 10 kosa ny komity mpanatanteraka. Ny CDN no hiantoka ny fandaniana rehetra ho an’ny mpifidy dia ny filohan’ny ligy miisa 22.

Nirina R.