Sport

STARTIMES : Mampita mivantana ny Coupe du monde des Clubs 2025 hatrany amin’ireo tanàna tsy misy herinaratra sy ahitana fahatapahan-jiro


Mpiara-miasa ofisialy amin’ny federasiona iraisam-pirenena misahana ny baolina kitra (FIFA) ny Startimes mandritra ny « Coupe du monde des Clubs 2025 ». Mandeha mivantana  ao amin’ny chaînes ST World Football, ST Sport Premium sy  ST Sport Life ireo lalao rehetra mandritra ity lalao iadiana ny tompondakan’ny klioba ity. Lalao miisa 17 ho tantaraina mivantana amin’ny teny malagasy ao amin’ny UPTV, miaraka amin’ny mpitantara baolina kitra eto an-toerana: Haja Randria sy Edouard Ratovoson na i RAYEST.

Nanomboka ny 15 jona teo ny lalao ary tsy hifarana raha tsy ny 15 jolay 2025. Etazonia no mampiantrano ity andiany ity. Ekipa sangany miisa 32, avy amin’ireo kaofederasioan’ny baolina miisa enina (06) no mandray anjara amin’ny fifaninanana : ireo mpandresy tamin’ny « Ligue des champions de l’UEFA », « Ligue des champions de la CAF », « Ligue des champions de l’AFC », « Ligue des champions de la CONCACAF »,  « Ligue des champions de l’OFC »  sy ny « Copa Libertadores » ary ny ekipa mpampiantrano ny lalao.

Afaka manaraka ny lalao na dia any amin’ny toerana lavitr’andriana

Hiantoka ny fandefasana ny lalao any amin’ireo toerana lavitr’andriana ny Startimes noho ny fisian’ny Startimes Solar, sampana iray momba ny angovo azo avy amin’ny masoandro ao amin’ny vondrona Startimes. « Miaraka amin’ny Startimes Solar dia tsy fanatanjahantena ihany no alefanay fa mitondra hazavana sy fihetseham-po ary mampifandray ireo mponina any amin’ny toerana lavitr’andriana ihany koa izahay amin’ny alalan’ny fampivadiana ny teknolojia,, ny angovo azo havaozina sy ny fitiavana ny baolina kitra », hoy ny  fampitam-baovao navoakan’ny Startimes Media Madagascar, ny 20 jona 2025.

Afaka manaraka ny fifaninanana hatrany ireo mpankafy baolina kitra na dia any amin’ireo toerana tsy mbola tongan’ny herinaratra avy amin’ny JIRAMA na  amin’ireo  toerana ahitana fahatapahan-jiro rehefa mampiasa ny « panneaux solaires » an’ny Startimes Solar. Manana tanjaka ambony, 2 kW ka hatramin’ny 10 kW izy ity ka manampy ny olon-tsotra na orinasa na rafitra hahaleon-tena amin’ny herinaratra. Manome herinaratra tsy mamoaka etona karbona sy miaro ny tontolo iainana ihany koa, araka ny fampitam-baovao hatrany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *