Sport

BAOLINA KITRA MALAGASY: Voafidy ny filohan’ny ligin’i Bongolava


Antsapaka no niafaran’ny fifidianana ny filohan’ny ligin’i Bongolava eo amin’ny taranja baolina kitra. Notanterahana tany Tsiroanomandidy omaly Alarobia 10 Jolay 2019 ny fifidianana izany filohan’ny ligy izany. Filohan’ny ligy vaovao noho izany  Rakotoniaina Mamonjisoa. « Nentina teo amin’ny FIFA sy teo amin’ny fovoriambe ny momban’ny zava-misy eo ligin’i Bongolava  izay misy kandidà roa sy mpifidy roa. Notapahana teo amin’ny fivoriam-be fa rehefa mitovy hatrany amin’ny fiodinana fahaefatra ny isan’ny kandidà roa dia azon’ny « Comité de Normalisation » (CDN) atao ny manao antsapaka izay ho filoha », hoy ny filohan’ny CDN, Béatrice Atallah. Tsy maintsy natao noho izany ny antsapaka teo amin’ny kandidà roa dia Rakotoniaina Mamonjisoa sy Rakotoarimino Andrianina Désiré filoha teo aloha satria nitovy hatrany ny isa azon’ny roa tonta. Vonona hanolo-tanana ny filoha lany vaovao ny filoha teo aloha. Betsaka ireo tetikasa ho atao, toy ny fametrahana sekolin’ny baolina kitra any amin’ny faritr’i Bongolava…, hoy ny filoha vaovao. Hojerena ihany koa ny hanamboarana kianja filalaovana baolina kitra vaovao amin’iny faritra iny satria tsy ampy izany, hoy izy.

Natao tamin’io fotoana io ihany koa ny fifidianana ireo komity mpanatanteraky eo amin’ny ligin’i Bongolava ka miisa dimy izany. Marihana fa ny mpikambana telo ao amin’ny CDN izay notarihan’ny filohany no tonga sy nikarakara ny fifidianana sady hikarakara izany ihany koa no antom-pisiany.

Miroso ny fanomanana ny fifidianana federaly izay atao ny 24 Aogositra 2019. Ho tapitra amin’ny Zoma 12 Jolay 2019 ny fandrotsahana ny kandidà. Miisa 13 ireo antonta-taratasy momban’ny « membre de comité exécutif »  ary telo ny kandidà eo amin’izay ho filohan’ny federationa, hoy hatrany ny filohan’ny CDN. Ho fantatra tsy ho ela noho izany ny tena isan’izy ireo ao aorian’ny 12 Jolay.

Nirina R.


One comment on “BAOLINA KITRA MALAGASY: Voafidy ny filohan’ny ligin’i Bongolava

  1. Pingback: BAOLINA KITRA MALAGASY: Voafidy ny filohan’ny ligin’i Bongolava - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *