Sport

NELSON MANDELA CUP : Ampitaina amin’ny ankizy ny fitiavana baolina kitra


Raikitra indray ny Nelson Mandela Cup andiany faharoa izay karakarain’ny 67 City FC ( Grassroot Soccer Academy teo aloha ). Ho tanterahana mandrindra ny telo andro ity fifaninana baolina kitra ity. Manomboka anio  Zoma 27 septambra 2019 izany ary hifarana ny 29 Septambra 2019 izay ho atao eny amin’ny kianjan’ny Cheminots Antanimena. Tohanan’ny firenena Afrika Atsimo amin’ny alalan’ny ambasadaorony miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Maud Dlomo ity hetsika ara-panatanjahantena iray ity. « Tanjona ny fizarana fitiavana ny baolina kitra ary ampitaina amin’ireo ankizy izany. Ho olom-banona eny amin’ny fiaraha-monina na eny ambon’ny kianja ireo mpilalao ireo », hoy ny filohan’ny 67 City FC, Cédric  Djavô. Miavaka ity andiany faharoa ity raha mitaha amin’ny andiany voalohany satria U13 sy U16 no hanao ny fifaninana. Ezahana ny hampandraisana anjara sy hanarahana ireo U11 sy U15 tamin’ny fifaninana teo aloha. Misy ekipa 12 avy ireo sala-taona roa ireo ka nizara vondrona efatra ka telo ireo ekipa ao anatin’ny vondrona iray. Ankoatra izay dia lalaovin’ny mpilalao 11 ho an’ny U16 ary sivy kosa ho an’ny U13.

Raha te ho lasa lavitra dia ny toe-tsaina no mila volavolaina. Miezaka izy ireo namorona hetsika ho an’ny tanora satria tsy ampy ny fifaninana indrindra latsaky ny 13 taona eo amin’ity baolina kitra ity. Ny fisian’ny lalao fifaninana toy izao dia ahazoan’ireo ankizy ireo traikefa, hoy izy. Nanambara ny ambasadaoron’ny Afrika Atsimo fa ny fanatanjahantena dia mipaka kokoa amin’ny tanora ary mety hampisy fanantenana indray ho azy ireny. Rehefa mianatra baolina kitra ireo tanora ireo dia mianatra ihany koa ny fahaizana miara-miasa, ny fifehezan-tena ary ny fifanajana ny hafa, hoy hatrany ity ambasadaoro ity. Faniriany mba hisy fifaninana ho an’ny vehivavy amin’ny andiany manaraka. Hoy ny filoha Mandela hoe « Ny fanatanjahantena dia mampiray ny firenena » raha namarana ny fandraisany fitenenany  izy.

Araka ny maha Nelson Mandela Cup ity fifaninana ity dia tsy nisy ny faniliana na sivana tamin’ny fisafidianana ireo ekipa mandray anjara fa nandefasana fanasana avokoa ireo ekipa goavana, nisy ny fiantsoana tamin’ny alalan’ny tamban-jotra serasera facebook. Afaka nandray anjara avokoa izay nazoto, hoy ny mpikarakara.

Marihana fa nanampy ihany koa ny FMF tamin’ity andiany faharoa ity amin’ny lafiny fitaovana omeny, tolo-kevitra…Teo ihany koa ireo mpanohana ny hetsika, toy ny Groupe Sodiat, Groupe Filatex, SBM ary ny Groupe Sipromad.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *