Sport

NICOLAS DUPUIS: Nitatitra ny resaka nataony tamin’ny Prezidàn’ny repoblika


Resaka voalohany nataon’i Nicolas Dupuis taorian’ny CAN 2019. Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny “club des partenaires” sy ny mpanazatra Nicolas Dupuis ny 22 aogositra 2019 teny Anosy.  Orinasa fito no mivondrona ao anatin’ity club nanohana ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny CAN 2019 ity. Ao anatin’izany ny orinasa Telma, ny Canal Plus, ny Star, ny Holcim, ny Jovena, ny BNI, ny Leader Price… Nambaran’i Nicolas Dupuis fa mitohy ny tantara. Mbola nifampiresaka tamin’ny Prezidan’ny Repoblika ny tenany omaly  fa hanao fifanarahana aminy ho an’ny efa-taona manaraka. Ankoatra ny fanomanana ny CAN 2021 sy ny lalao iadiana ny tompondaka erantany ny baolina kitra 2022 dia ao anatin’ny andraikitra ho sahanin’i Nicolas Dupuis ny fitantanana ny baolina kitra, ny fitiliana ireo mpilalao sangany manerana an’i Madagasikara. Nilaza anefa izy fa miankina amin’ny filohan’ny federasiona  malagasy ny baolina kitra (FMF) sy ny birao vaovao no hahatanterahany izany. Araka ny resaka nataony tamin’ny  Prezidan’ny Repoblika hatrany dia hanamboatra foto-drafitr’asa avo lenta ny fitondram-panjakana, toy ny fananganana sekolin’ny baolina kitra 1000 isa, “centre de perfectionnement” manerana ny  ligy 22 sy ny maro tsy voatanisa.

Nanararaotra namerina fisaorana ny Prezidan’ny Repoblikan’i Madagasikara Rajoelina Andry, ny ministry ny tanora sy  fanatanjahantena Tinoka Roberto , ireo staff , ny club partenaires , ireo mpijery baolina kitra sy ny Malagasy tsivakivolo ary ny mpanao gazety ihany koa ity mpanazatra ity. Mbola nisaotra ny mpilalaon’ny Barea ihany koa ny tenany tamin’ny fahasahiana nasehon’izy ireo nandritra ny lalao rehetra tamin’ny CAN na dia tratry ny fikorontanana aza indraindray.

Mety ho adino ve sa misy antony manokana no tsy nisaotra ny « Comité de Normalisation » ( CDN ) i Nicolas Dupuis?

Lynda A / Nirina R.


One comment on “NICOLAS DUPUIS: Nitatitra ny resaka nataony tamin’ny Prezidàn’ny repoblika

  1. Pingback: NICOLAS DUPUIS: Nitatitra ny resaka nataony tamin’ny Prezidàn’ny repoblika - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *