Mitohy hatrany fanamafisana ny fifankatiavan’i Madagasikara sy ny repoblika entim-bahoaka ny Sina. Lamba firakotra mafana (couettes) 787 isa natolotry ny Masoivoho an’ny Sina eto Madagasikara an’ny BNGRC (Bureau national de gestion des risques et catastrophes) ny 6 novambra 2018. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
HCDDED: Fampiharana ny demokrasia ny fandehanana mifidy
Nivoaka ny gazety boky mirakitra ny asa vitan’ny HCDDED (Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit) sy ny vina ho tanterahina manaraka ary ireo fitarainana voaray momba ny tsy fanajana ny demokrasia. Atonta isaky ny telovolana ity gazety boky ity. Continuer la lecture
SEMINERA GOAVANA: Ny fanalihidy hiverenan’ny fahasalamana
Ny aretina rehetra dia misy fanafany avokoa na dia homamiadana aza. Misy fitaovana maro sy fanalahidy maro hampiverina ny fahasalamana. “Nataon’ny Mpahary mba ho salama lalandava isika olombelona fa adinontsika ny hiverenana amin’izany. Tonga izao ny fotoana hamelabelarana an’izany mba hahazoan’ny tsirairay fahasalamana, ho tomady lalandava ary ny antitra ho lasa tanora”, hoy ny dokotera Rasolofoniaina Darsot nandalina “médicine générale”, “science énergetique”, “homéopathie”. Ao anatin’ny seminera goavana izay tanterahina ny 2 ka hatramin’ny 4 novambra 2018 ao amin’ny Live Hôtel Andavamamba no hamelabelarana misimisy kokoa ny fifehezana ny teknika hahazoana fahasalamana.
Fahatsiarovan-tena
Amin’ny alalan’ny fampianaran’i Grigori Gravoboï, tanora manam-pahaizana nahita hevitra maro hitandroana ny fahasalamana no hanomezana fahalalana fototra ho an’ireo liana amin’ny seminera. Nambaran’ny dokotera Rasolofoniaina fa efa nisy ny andrana nataon’i Grigori Gravoboï momba ny famerenana ny antitra ho lasa tanora ary nohamarinin’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS, UNICEF) izany. Tao anatin’ny “clinique” iray nisy marary folo nojeren’i Grigori Gravoboï tao anatin’ny dimy minitra ny manjo azy ireo sy ny vahaolana ho atao amin’izy ireo. Antitra ny iray tamin’ireo ka nahena ho 40 taona ny vatany. Voan’ny raboka izy ity ka nambarany fa tsy tao intsony ny havokavokany. Rehefa natao amin’izay ny “scanner” dia hita fa miha miverina miforona indray ilay taova tsy tao. Tsy ho lasa lavitra ny olona iray raha tsy mivelatra ny fahatsiarovan-tenany (conscience). Miompana amin’ny fitsaboana “quantique” na ny fifandraisan’ny vaovao izay mety hiseho ary ny fampiasana izany, ny asa goavana miandry ny olombelona, ny fivelaran’ny fahatsiarovan-tena ny fihaonana mandritra ny telo andro. Afaka mifehy ny teknika momba izany ny olon-drehetra.
Lynda A.
ORINASA HYDIS: Manome fahafaham-po ny mpanjifa hatrany
“Ticket carburant” mitentina 150.000 Ariary no azon’ny voalohany tamin’ny lalao tombola nokarakarain’ny orinasa Hydis. Continuer la lecture
MPIANATRY NY ONIVERSITE EUROI : Ifandrombahan’ny orinasa
Mpianatra telopolo indray nahazo ny diplaoma Licence sy Ingéniorat. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 26 oktobra 2018 tao amin’ny espace Sombiniaiko Soavimbahoaka ireto andiany faha-28 misalotra ny anarana hoe : « émeraude » ireto. Continuer la lecture
FANAMBOARANA TRANO: Fampiasam-bola azo antoka
Ahazoana tombony kokoa ny fampiasam-bola amin’ny fanamboarana trano eto Madagasikara. Continuer la lecture
« CONTENEUR » 12 AO AMIN’NY ORINASA IMEX : Mijaly ny tompon’entana
Narindrin’ny fadintseranana efa ho iray volana sy folo andro ny fitahirizana entana ao amin’ny orinasa IMEX. Continuer la lecture
FOIRE INTERNATIONALE DES GEMMES ET BIJOUX DE MADAGASCAR : Miteraka asa
Mbola malalaka ny tsena eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana sy fanodinana ny vatosoa eto Madagasikara. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 23 Oktobra 2018 ka hifarana ny 27 Oktobra ny tsena iraisam-pirenena amin’ny sehatry ny vatosoa na « Foire internationale des gemmes et bijoux de Madagascar » atao eny amin’ny « Mining business center » Mamory Ivato. Continuer la lecture
FITANANA AM-PONJA VONJIMAIKA: Olona 52 maty tsy voatsara akory
Tsy voahaja ny zon’olombelona ho an’ireo voatana vonjimaika any am-ponja, araka ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana Amnesty International tamin’ireo fonja sivy teto Madagasikara tamin’ny volana aogositra 2017 ka hatramin’ny septambra 2018. Continuer la lecture
ADY AMIN’NY FANONDRANANA OLONA: Firenena fitaratra i Madagasikara
Ho fampitoviana ny fomba fijery iadiana amin’ny fanandevozana maoderina, ny fampiasana zaza tsy ampy taona, ny asa an-terivozona eto Madagasikara ny atrikasa ho tanterahina ny 25 oktobra 2018 eny amin’ny Carlton Anosy. Continuer la lecture