Voasazin’ny lalàna ny fihoaram-pefy amin’ny fampiasàna ny tambazotran-tserasera toy ny fitarihana olona tsy ampy taona hanao mamoa-fady, ny fangalarana ny mombamomba olona iray, ny fanompàna olona, ny fitarihana adim-poko, ny fisolokiana… Tsapa anefa hoy ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Rakotozafy Lalatiana fa marobe ny tranga momba ny heloka atao amin’ny fitaovan-tserasera (cybercriminalité) kanefa tsy mahafantatra ireo iharam-pahavoazana hoe aiza no itodihana. Ho fanampiana azy ireo indrindra no antom-pisian’ny rafitra miady amin’ny heloka atao amin’ny fitaovan-tserasera na ny “cellule de la lutte contre la cybercriminalité” na CLCC. Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny varavarana misokatra, natao teny amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy androany 16 aogositra 2019 ny asa sahanin’ity rafitra eo ambany fiadidian’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ity. Nambaran’ny mpandrindra ny CLCC, Lieutenant Colonel Andrianarisaona Herilalatiana fa rafitra hifanampy amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena amin’ny ady atao momba ny “cybercriminalité” ny CLCC fa tsy araky ny tsaho mandeha fa hanafoana ny rafitra efa misy.
Andraikitra voalohany ho sahanin’ity rafitra ity ny fanabeazana ny olom-pirenena mba hampiasa ny fitaovan-tserasera toy tambazotran-tserasera isan-karazany (facebook, twitter…) ho amin’ny mahasoa, ny fampahafantarana ny lalàna mifehy ny “cybercriminalité”, ny sazy miandry ireo mihoa-pefy. Hanampy ireo iharam-pahavoazana vokatry ny fampiasàna ny tambazotran-tserasera, hanohana azy ireo araky lalàna fa indrindra ny fitondrana ny raharaha eny anivon’ny mpitandro filaminana ny CLCC. Mbola voafaritra ao anatin’ny anjara asany ihany koa ny fanenjehana ny manao tsy mety. “Ndao hampiasaina ho an’ny mahasoa ny tambazotran-tserasera”, araka ny fanentanan-dRamatoa ministra ho an’ny olom-pirenena.
Lynda A.
Bonjour!
Miala tsiny aho raha manoratra izao ttsy izao fa mba te hahala bebekokoa mombany « demarche » atao @ fahavoazana mikasika ny fanaovana publication fanalana baraka @ zavatra tsy marina , AZO POROFOINA Tsara fa tsy marina , inona no tokony hatao ? misaotra tompoko!
Miarahaba tompoko,efa tratran io fanalana baraka Amin NY tambajotra serasera io za de nametraka fitoriana teny Amin NY police,fa hatramin zao toa arirariran dry zareo ihany,tsy mipetraka ntsony NY zo Amin NY Maha olona.
salama tompoko, azafady saika mba hanontany ny procedure tokony hatao raha solokin olona ny sariko amin alalan facebook
Misaotra
Bonjour, misy olona nanokatra compte fake @ anarako sy ny sariko ary manaparitaka sary mamoafady @io dia mba hangataka fanampian azafady
Azafady indrindra fa mba hanao fitarainana kely momba ny fb fa misy manao pirate ny compte ko de mandefa message amin’olona maro ato hoe mody mangataka vola, mba tiako tadiavina iza no manao izanay.
Ity ny IP 154.126.19.143
Misaotra tompoko
Bonjour à vous. J’ai une requêtte à vous adresser. Je ne sais pas si cela fait parti de votre action. Ma femme a un compte Nommé Helina Helina. Le numéro de téléphone pour la création de ce compte est 033 19 447 02. Ce numéro a été desactiver par artec car c’était trop tard pour l’enregistrement. J’ai des renseignement très important dans ce compte facebook. Pourriez-vous faire quelques chose pour pouvoir acceder dans ce compte.
Meilleures salutations
Salama tompoko,mba mila ny contact cybercriminalité de Madagascar, tompoko,fa misy olona mandefa2 message mandrahona sy miteny ratsy,inona no tokony hatao.
Bonjour, MBA hanontany procédure tokony hatao raha Sendra ka solokian’olona manao an’ireny vente en ligne ireny, nomeny Aby n’y numéro andefasana vola na tamin’ny orange na tamin’ny Telma.
bonjour,cach point za tompoko dia nisy olona niantso milaza ho piasan’ny telma,kay ity izy olona pisandoka ary nataony retrait daholo ny soldko rehetra tompoko.inona tompoko no démarche tokony arahiko?mervi
Salama Tompoko ! azafady fa niaharany fisolokiana tamin’y « Vente en Ligne », Avy aty Diego zah no nanafatra entana any Antananarivo. Ts aiko izo no olona tokony Antsoina ijady ilay olona mb amerina ny vola . Maromaro iany mombamaba le olona aty amiko . Misaotra betsaka !
Azafady indrindra tompoko fa nisy nanao pirate ny compte facebook fampiasako ka tsy afaka misokatra intsony na amin’ny numero na amin’ny mail nefa lay compte tsy maty fa visible,ka sao mba misolution avy aminareo mba ahafako mirecuperer azy an io compte .Misaotra indrindra