Voajanahary ny « état hypnose ». Isaky ny 90 minitra dia miditra ao anatin’ny « état hypnose » ny olombelona iray, hoy ny dokotera Ravoahary Gleize, maitre praticien en hypnose médicale. Araka ny fanazavany dia mizara roa mazava tsara ny firafitry atidoha. Ny faritry ny fahatsiarovan-tena (partie consciente) ny ankilany ary ny faritry ny tsy fahatsiarovan-tena (partie inconsciente) ny andaniny. Mampiasa ny “partie consciente” ny olombelona rehefa manaraka ny lojika na mandray fanapahan-kevitra. Ny “partie inconsciente” kosa no mitahiry ny fahatsiarovana rehetra na ratsy na tsara , ny fihetseham-po, ny fahazarana, ny finoana sy ny maha izy ny olona iray. Rehefa ao anatin’ny « état hypnose » isika rehefa ao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tena. Ohatra ao anatin’ny “état hypnose” isika rehefa mijery sarimihetsika.
Nambaran’ny dokotera Ravoahary fa azo ampiasaina amin’ny fitsaboana ny “hypnose” ary tena mahomby. Ao anatin’ny « état hypnose » isika rehefa ao anatin’ny mari-drefy (fréquence) 4 ka hatramin’ny 8 hertz. Rehefa hitsabo dia atao izay hahatonga ny marary ho eo amin’io mari-drefy io. Santionany ampiasaina ny “hypnose médicale” ny famafana ireo fahatsiarovana mahatonga tahotra, tsy fahatokisan-tena; fanafoanana ny fahazarana toy ny fifohana sigara, fisotroana toaka; ny fanafoanana ny fanaintanana. Hopitaly maro amin’ireo firenena any ivelany no mampiasa azy ity amin’izao fotoana izao rehefa hiroso amin’ny fandidiana ny mpitsabo. Raha tokony ho « anesthésie générale » no atao dia lasa « locale » satria ampiasaina ny “hypno-sédation”. Ankoatra fitsaboana fitaovana iray hampivelarana ny maha olona ny « hypnose ». Marihina fa tsy mitovy ny “hypnose médicale” ny « hypnose de spectacle ».
Lynda A.
Inona no fetra (na limite) tsy vitan’ny hypnose médicale? ary rehefa inona no tokony manao fizahana (consultation) ny olona iray ? Nahafinaritra ilay fanehoankevitra fa fohy loatra ny fotoana
Miarahaba tompoko!
Liana tanteraka amin’ilay hypnose médicale ny tenako ary te hahafantatra hoe aiza no manantona raha te hanao izany?