Socio-eco

CITY ART: Varotra fampirantiana sary hosodoko no nisantarana azy


Manan-talenta ny mpiangaly kanto Malagasy saingy ny toerana ahafahana mampahafantatra ireo sangan’asany no olana tsy mampiroborobo azy ireny. Noho ny fomba fijery mitovy dia nifanatona ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina (MSK) sy ny orinasa IDF ao amin’ny vondron’orinasa SMTP ho fampivoarana ny haikanto sy ny kolontsaina malagasy. Niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa ny roa tonta ny 13 aogositra 2019. Nanome toerana malalaka atokana ho an’ny kanto malagasy etsy amin’ny La City Ivandry ny SMTP. CITY ART - LA CITY IVANDRY 1Nisantarana ny “City Art” ny varotra fampirantiana sary hosodoko, mitondra ny lohahevitra hoe: “Madagasikara miloko”.  Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 13 aogositra 2019 ity hetsika  ity. Sary hosodoko 60 isa, sangan’asan’ireo mpanakanto  miisa 30 ao anatin’ny Tanana Arts Gallery no haranty sy amidy, ao amin’ity toerana be mpitsidika sy hifamezivezen’ny olona ity, mandritra ny 15 andro.

Nambaran’ny solontenan’ny SMTP nandritra ny fandraisam-pitenenany  fa herinandro  vitsivitsy no nikarakarana ity tetikasa ity dia izao tanteraka izao sahady. Tsy mijanona amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ny SMTP fa mivelatra amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina eto Madagasikara ihany koa, araka ny fanazavany hatrany.CITY ART - LA CITY IVANDRY 2 Nohamafisin’ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana fa fanomezana sehatra ho an’ny mpanakanto ny “City Art” ary mampiasa izany maimaim-poana izy ireo. Ho arotsaka ao amin’ny kitapom-bola ho an’ny kolontsaina (LOVAKO) kosa ampaham-bola azo avy amin’ny fampirantiana.  Miverina any amin’ny mpanakanto ihany izany avy eo satria vaza-mihetsika hampivoarana ny kolontsaina. Noho izany, ezahina tsy ho tapaka ny fampirantiana atao eny amin’ny “City Art”, hoy ny ministra. Mba hisian’ny fandaminana dia antsoina avokoa ireo mpiangaly ny kanto rehetra manerana ny Nosy hanatona ny ministera.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *