Socio-eco

RABESAHALA GISELE: Notsarovan’ny vehivavy afrikana tatsimo


Daty manan-tantara ho an’i Afrika Atsimo ny 09 aogositra. Natokana hankalazana ny andron’ny vehivavy afrikana tatsimo ho fahatsiarovana ireo vehivavy nitolona tamin’ny 09 aogositra 1956 io daty io. Raha ny tantara dia nanao fihetsiketsehana teo anoloan’ny  lapan’ny governemanta tany Pretoria  ny federasionan’ny vehivavy afrika tatsimo ho fanoherana ny lalàna manery ny vehivavy “tsy fotsy” hitondra antontan-taratasy (laisser-passer),  manamarina fa nahazo alalana ho any amin’ireo toerana natokana ho an’ny vehivavy fotsy. Vehivavy 20.000 isa no niara-nanatitra ny fanangonan-tsonia tamin’ny Praiministra nitondra tamin’izany fotoana izany, JG Strijdom. Ankehitriny, entina iadiana amin’ny fanavakavaham-bolo-koditra, hitakiana ny fahafahana sy hanajàna ny zon’ny vehivavy amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny asa… ny 09 aogositra.

Ho an’ny masoivohon’ny Afrika Atsimo miasa eto Madagasikara dia nanamarika ny fankalazana ny andron’ny vehivavy afrikana tatsimo  natao teny Anosy ny fahatsiarovana  an-dRabesahala Gisèle  sy ny tantarany. Nambaran’ny Ambasadaorin’i Afrika Atsimo, Maud Dlomo nandritra ny lahateniny fa anisany niady tamin’ny fanafahana an’i Nelson Mandela ramatoa Rabesahala Gisèle. Nohamafisin’ny fianakaviany fa nanao fanambarana ny UNESCO ny volana novambra 2013 fa “vehivavy malagasy  manamarika ny tantaran’i Afrika” izy ary anisany nikatsaka ny fampanajàna ny zon’ny vehivavy ihany koa.  Tsiahivina fa efa nitàna andraikitra maro teto amin’ny firenena tamin’ny lafiny politika, sosialy, haino aman-jery  Rabesahala Gisèle raha tsy hilaza afa-tsy ny maha vehivavy malagasy voalohany minisitry ny kolontsaina azy. Nindaosin’ny fahafatesana ity mahery fon’ny malagasy  ity, ny volana  27 jona 2011 rehefa avy nivahiny 82 taona teto an-tany.

Lynda A.


One comment on “RABESAHALA GISELE: Notsarovan’ny vehivavy afrikana tatsimo

  1. Pingback: RABESAHALA GISELE: Notsarovan’ny vehivavy afrikana tatsimo - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *