Nisafidy ny hanohana kandida hafa indray i Paolo Raholinarivo Solonavalona raha toa ka talen’ny fampielezan-kevitr’ i Mailhol ny tenany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. Continuer la lecture
Catégorie politique
MPISOLOVAVA AN’I MBOLA RAJAONAH: Tsy voahaja ny tsiambaratelo ny fanadihadiana
“Mampanontany tena ny tsy fanarahan-dalàna momba ny raharaha Mbola Joseph Rajaonah”, hoy ny mpisolovavany, Eric Rafidison. Continuer la lecture
BEN’NY TANÀNA NY FARITRA ANALAMANGA: Manohana an’i Andry Rajoelina
Hifanome tànana amin’ny kandida Andry Rajoelina ireo ben’ny tanàna eto amin’ny faritra Analamanga. Continuer la lecture
TABERA RANDRIAMANANTSOA: « Vato namelan-kafatra izahay »
Efa nanao dingana amin’ny fampihavanana azy mirahalahy manao fihodinana faharoa i Profesora Zafy Albert talohan’ny nandaozany an’ny tany. Fantatry ny kandidà Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana izany. Continuer la lecture
KANDIDA MARC RAVALOMANANA: « Mifanandrina ny tsara sy ny ratsy »
Fihaonana tamin’ireo mpanara-dia ny kandida Marc Ravalomanana teny amin’ny QG misy ny K25 no nentiny nanombohana ny fampielezan-kevitry ny laharana faha 25. Continuer la lecture
NY RADO RAFALIMANANA: Hiara-hiasa amin’i Marc Ravalomanana
“Noho ny fahitanay ny fomba fijery tsy dia mifanalavitra no nametrahanay ao amin’ny Ny Fanahy maha-olona ny fiarahamiasa amin’Andriamatoa Marc Ravalomanana ka ho mpirahalahy mianala”, araka ny fanambaran’ny birao nasionaly Ny Fanahy maha-olona ny 3 desambra 2018. Continuer la lecture
JOSEPH RANDRIAMAMPIONONA (DADAFARA) : Mifanohitra amin’ny sary niparitaka ny fanapaha-keviny
Nisafidy ny hanohana ny kandida Andry Rajoelina i Joseph Martin Randriamampionona na i dadafara. Raha toa ka niparitaka tany amin’ny tambazotran-tserasera “facebook” ny sariny niresaka tamin’i Marc Ravalomanana dia mifanohitra amin’izany ny zava-mitranga. Continuer la lecture
FRANCINE RANAIVO: Mila mifanaraka ny mpitondra sy ny vahoaka
“Mbola tsy nahita olona afaka hihaino azy ny vahoaka hatramin’izao”, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Alliance Internationale des femmes de France et Madagascar (AIFM), Francine Ranaivo rehefa nivahiny tao amin’ny televiziona afrikanina “télésud” ny 28 novambra 2018. Nambarany tao anaty ny fandaharana fa mitady olona afaka hihaino azy ny vahoaka. “Na dia hiroso amin’ny fifidianana fihodinana faharoa aza isika dia tsy fanirian’ny vahoaka izany. Handeha hifidy izy ireo mba hanatanteraka ny adidy”. Noho izany, mila manome izay tadiavin’ny vahoaka ny filoham-pirenena ho lany eo, araka ny fanehoan-keviny. Ao anatin’izany ny fahatsaram-piainana, ny fahafahana ny Malagasy rehetra miara-miaina lavitry ny fampitahorana sy fampihorohoroana.
Fifanarahana
Ankoatra maha filoha mpanorina ny AIFM an’i Francine Ranaivo dia mpila ravinahitra ao Paris izy. Anisany mpanao gazety nitantana gazety voalohany teto Madagasikara ny rainy. Xavier Ranaivo no anarany itompokolahy. “Rehefa niresaka tamin’ireo mpila ravinahitra (diaspora) amiko aty Frantsa aho dia mila mamolavola sata ny vahoaka sy ny mpitondra. Ho soniavin’ny roa tonta izany ary omena fe-potoana ny mpitondra, ohatra enim-bolana ka jerena aorian’izay raha niova ny fiainan’ny tsirairay. “Tsy misy vahaolana ankoatra izay”, hoy i Francine Ranaivo. Io sata io no hamatotra ny filoham-pirenena ka hifanarahana ny fepetra ho raisina raha toa ka tsy nisy fampandrosoana vanona. Ho an’izay filohan’ny repoblika vaovao eo, efa mampilaza sahady ny diaspora any Frantsa fa hiady izy ireo mba ahafahan’ny diaspora mifidy, araka ny fanambaran’ny solontenan’izy ireo, Francine Ranaivo.
Lynda A.
PASITERA MAILHOL: Tsy mitombona ny fangatahan-dRajoelina sy Ravalomanana
Nanapa-kevitra ny birao nasionaly ny antoko politika Gideona ny Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara (GFFM) izay nanolotra an’i Mailhol ho kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. Continuer la lecture
FANDRAOFANA NY FAKO ETO ANTANANARIVO: Ho alefa any amin’ny ministeran’ny rano ny faktiora
“Manao bemarenina ry zareo ao amin’ny ministeran’ny rano sy ny SAMVA”, hoy ny mpanolontsaina manokana ny ben’ny tanàna an’Antananarivo renivohitra, Marc Ravalomanana. Continuer la lecture