Socio-eco

HOMAMIADAN’NY THYROÏDE :Sitrana tanteraka i Ida Prisca, tovovavy 25 taona kanefa teo amin’ny dingana ratsy indrindra ny aretiny


Version Fançaise              Version Anglais

Efa enin-taona no nisoko mangina tao anatin’i Rafiankinantsoa Hanitriniala Ida Prisca homamiadan’ny “thyroïde » saingy tsy nahafantatra izany izy raha tsy ny taona 2022. Nanomboka sempotra sy kendakenda ity tovovavy vao erotrerony ity, ny volana oktobra 2022.

Rafiankinantsoa Hanitriniala Ida Prisca nararin'ny homamiadan’ny “thyroïde"

Rafiankinantsoa Hanitriniala Ida Prisca nararin’ny homamiadan’ny “thyroïde »

23 taona izy tamin’izany. Niharatsy ny fahasalamany, nihamafy ny fahasemporany tsy avy miaina izy ka nentina  haingana tany amin’ny hopitaly. Teny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona  (HJRA), Anosy  no nitondra azy saingy nalefa teny amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka  fa eny no misy ny sampandraharaha misahana ny fitsaboana ny orona, tenda, sofina (ORL). “Sendra nanafosafo tendako fotsiny aho no nahatsapa fa ohatrany  misy mivonto. Tamin’ny voalohany ohatrany hoe misy pomme d’Adam. Teto ampovoany teto mihitsy no mivonto, mafimafy sy lasa nivelatra be avy eo. Tsy norarahiana tamin’izay fa nitombo ilay nivonto dia nanomboka kenda aho. Rehefa misakafo dia misy zavatra midona, kendakenda, sempotra. Mahatsapa ohatry ny hoe kendaina izany, tery be ny lalan-drivotra. Nanao krizy be amin’izay aho, tsy avy miaina dia nifamonjena nentina hopitaly”, hoy i Ida Prisca manazava ny fivoaran’ny aretiny. Fanalefahana  fanaintainana no natao azy aloha rehefa niditra hopitaly. Iray volana taty aoriana,  nivaly ny fizahana (bilan) ka fantatra fa misy fivontosana ny thyroïde: nitombo 6 sentimetatra ny ilany havia, 1 sentimetra ny ilany havanana. Tsy maintsy nodidiana sy nesorina  ny fivontosana tao amin’ny tendany  na antsoina hoe:  “nodule thyroïdien”,  ny 20 novambra 2022.  Nesorina niaraka tamin’izay ny thyroïde.  Taova iray ao amin’ny tenda manao endrika elatra lolo ny  thyroïde. Anjara asany ny famokarana  “hormone thyroïdienne” izay miantoka ny fiasan’ny taova anatin’ny vatana. Anisany asa lehibe ataony ny fanampiana ny sela amin’ny famokarana proteina sy ny fampiakarana ny tahan’ny “oxygène” ampiasain’ny sela. Miantoka ny fandrindrana ny fidoboky ny fo, ny  fahasalaman’ny hoditra, ny fitomboan’ny vatana,  ny famokarana hafanana, ny fiterahana sy fandevonan-kanina   thyroïde.

Efa ratsy be ny homamiadana tao amin’i Ida Prisca

Vita ny fandidiana. Nalefa natao fitiliana tany ivelany ny singa tamin’ny taova nesorina tao amin’i Ida Prisca. Io “examen anapath” no ahafantarana fa homamiadana na tsia no mahazo ny marary sy hahalalana ny  fivoaran’ny homamiadana (stade). “Nivaly ny fitiliana ka homamiadana efa ratsy be, stade T3 no mahazo ahy. Tena tohina be aho nahare izany. Efa ratsy ny eritreritra fa fa ho faty  aho izany. Latsa-dranomaso ny ray aman-dreniko sady niteny hoe: ianao mbola tsy niteraka akory”, hoy i Ida Prisca mitantara ny  zava-misy niainany. Dokotera efatra (4) nampahery azy tamin’io fotoana  io, araka ny fanazavany hatrany. “Nohazavainy zareo tamiko  ny karazana fitsaboana tokony ho arahako. Asaina manao irathérapie aho fa tsy chimiothérapie.  Nolazaina tamiko fa dokotera iray ihany no manao azy eto [Madagasikara]. Nomena 15 andro aho ieritreretana  satria tsy mahazo miteraka  fa  ny fanafody ampidirina anaty vatana  ilay izy ka mamono ny sela ratsy anaty vatana. Mety hiteraka fahasamponana ho an’ny zaza raha bevohoka aho”, hoy i Ida Prisca. Tapakevitra ny tovovavy fa  hiroso amin’ny fitsaboana ny homamiadan’ny thyroïde. “Oviana aho no maty? Sao dia tokony ataoko daholo izay tsy nataoko aloha hialako eto. Izay no tao an-tsaiko fa nampahery ahy ny fianakaviako fa aleo aloha atao ny fitsaboana. Tapa-kevitra aho fa hanohy ny fitsaboana”, hoy izy manohy ny resaka.  Ny volana febroary 2023, nanomboka ny 28 janoary ka hatramin’ny 5 febroary 2023 raha ny marimarina kokoa  no niroso tamin’ny “irathérapie” i Ida Prisca. Nandray an-tanana azy ny dokotera Rasata Ravelo Andriamparany, manam-pahaizana manokana amin’ny fitsaboana nokleary (médicine nucléaire).

Dokotera Rasata Ravelo Andriamparany, manam-pahaizana manokana amin’ny fitsaboana nokleary

Dokotera Rasata Ravelo Andriamparany, manam-pahaizana manokana amin’ny fitsaboana nokleary

“Azo tsaboina tsara ny 97 %  ny homamiadan’ny thyroïde. Mandalo fandidiana aloha ny marary izay vao asiana fanafody fandevonana ny ambin’ireo homamiadana tsy afaky ny mpandidy. Mila fafana ny  kaokany ao amin’ny thyroïde, antsoina hoe  reliquat thyroïdien, sao  sanatria misy atody tarimo nofindrany ilay homamiadana na sanatria  miparitaka any amin’ny vatana iray manontolo.  Ravàna amin’ny alalan’ny fanafody radioactif ireny. Io fanafody io mikaroka ny homamiadana tsy hitan’ny mpandidy, manomboka any an-tampon-doha  ka hatrany am-paladia”, hoy i Dr Rasata, manazava ny fitsaboana atao amin’ny olona  voan’ny homamiadan’ny thyroïde.  Nanamafy izy fa amin’ny alalan’ny fanafody “radioactif » no nitsaboana an’i Ida Prisca.  “Mitovy amin’ny  radiothérapie ihany saingy ny anay radiothérapie ciblé izany hoe:  tsy mitifitra afa-tsy ny selan’ny homamiadan’ny thyroïde ihany. Tsy mikitika ny sela salama izy. Na ny fo na ny voa aza tsy kitihany”, hoy izy. Firenena telo (3) ihany no misy io fanafody ampiasaina amin’ny irathérapie (iodine radioactif ). Tsy maintsy mpitsabo manam-pahaizana manokana momba fitsaboana nokleary sy mahazo fankatoavana iraisam-pirenena no afaka manafatra izany. Nitoka-monina nandritra ny dimy (5) andro i Ida Prisca rehefa notsaboina tamin’ny alalan’ny irathérapie. “Tsy afaka mihaona na amin’iza na iza aho tamin’izany. Miala valo (8) metatra amiko raha te hihaona amiko. Tsy afaka mifampiresaka akory fa manao kopa-tanana fotsiny dia vita”,  hoy ny tovovavy. Mitentina 3.200.000 Ariary teo ny vidin’ilay fanafody nafarana, araka ny fanazavan’i Ida Prisca. Nampidirina tao aminy vatany  ilay fanafody ary miasa mandritra ny heritaona. Raha tsy mbola sitrana ao anatin’izay dia mitohy manao irathérapie indray. Miverina matetika manao fanaraha-maso ny fahasalamana any amin’ny dokotera izy taorian’ny fidirany hopitaly. Manao “analyse” isaky ny telovolana izy, indraindray isam-bolanahanarahana maso ny fivoaran’ireo selan’ny homamiadana miparitaka amin’ny vatana.

Sitrana tanteraka

Rafiankinantsoa Ida Prisca, tovovavy 25 taona

Rafiankinantsoa Ida Prisca, tovovavy 25 taona

Heritaona taty aoriana, sitrana soamantsara i Ida Prisca. Nahitana fihatsarana hatrany ny fahasalamany  isaky avy manao “analyse”. “Efa tsy misy homamiadana intsony aho. Efa madio  sy tsy misy trace intsony , araka ny  valiny ny fitiliana  ny volana febroary 2024”, hoy izy sady  mitsiky. Mbola mitohy ny fanarahana maso ny fahasalamany amin’izao fotoana izao ka manao fitiliana matetika izy. Mihinana fanafody mandra-pahafaty ihany koa mba hanoloana ny asan’ny thyroïde nesorina tao amin’ny tendany. Efa mahazo miteraka ihany koa izy, araka ny toromariky ny mpitsabo. Feno 25 taona amin’ity taona 2024 ity i Ida Prisca. Efa miverina manohy ny fianarany eny amin’ny ambaratonga ambony izy raha toa nijanona tanteraka izy nandritra fitsaboana. Vao nahavita ny fanohanana ampahibemaso ny asa fikarohana (soutenance) ahazoana ny diplaoma Licence momba ny serasera  izy ny volana oktobra 2024. Nanamafy i Dr Rasata fa dingana (stade) fahatelo ny homamiadana nahazo an’i Ida Prisca. “Dingana efa tena ratsy izany pT3 izany.  Efa lasa lavitra sy efa misy miparitaka amin’ny vatana ny homamiadana”, hoy izy. Nanazava ihany koa izy fa misy karazany maro ny fisehon’ny homamiadan’ny thyroïde ka misy efa miparitaka any amin’ny taolam-pisaka, tampon-doha, taolam-pe. Mila fotoana ny fitsaboana raha tratran’izay. “Mety ho maharitra valo (8) na sivy(9) taona vao  mety ho sitrana fa azo tsaboana tsara ihany “, hoy izy. Anisany miantoka ny fahasitranana ny tanja-tsaina.  Mampahery ireo marary, indrindra ireo voan’ny homamiadana i Ida Prisca tsy ho kivy fa hanana saina vonona hiady mba tsy ny aretina no handresy.  “Marina fa miasa ao aminao ny aretina fa mila matanjan-tsaina satria manome hery ho an’ny vatana izany.Raha vao atao antsaina be izaho marary,misy cancer , lasa ilay aretina mahares anao voalohany. Mila manaraka ny torohevitry ny dokotera ary tsy adino ny mivavaka”, hoy izy mizara ny fomba nataony niatrehany ny aretina. An-tapitrisany ny vola lany tamin’ny fitsaboana an’i Ida Prisca. Nandany teo amin’ny 2.000.000 Ariary teo ny fianakaviany tamin’ny fandidiana natao azy ankoatra vola lany talohan’ny fandidiana. Fanampin’izany ny vidim-panafody nafarana tany ivelany, tamin’ny irathérapie. Teo ihany koa fandaniana isaky manao “analyse” sy ny fanafody hohanina mandra-pahafaty. Eo amin’ny 120.000 Ariary ny vidin’ny analyse iray araka ny fanazavany. “Betsaka ireo marary mila vonjy ka tokony mba jeren’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny izy ireny”, hoy izy manao antso avo ny hisian’ny fandraisana an-tanana ireo marary fa indrindra ireo voan’ny homamiadana.

Antony mahatonga ny homamiadan’ny thyroïde

Dokotera Rasata Ravelo Andriamparany, manam-pahaizana manokana amin’ny fitsaboana nokleary

Dokotera Rasata Ravelo Andriamparany, manam-pahaizana manokana amin’ny fitsaboana nokleary

Tarazo na manaranaka ny homamiadan’ny thyroïde, araka ny fanazavan’i Dr Rasata. “Mila mailo raha misy fianakaviana tratry fivontosana eo amin’ny tenda na mety tsy misy aretin’ny goitre mihitsy nefa avy eo tratry  homamiadan’ny  thyroïde ilay olona. Ny olona manao fanabeazana aizana ihany koa mety ho tratra. Eo ihany koa ny fahalotoan’ny rivotra iainana. Ny antony fahatelo  dia tsy fantatra na idiopathique hoy ny vazaha. Tsy hay mihitsy fa tratry ny homamiadan’ny thyroïde ilay olona”, araka ny fanazavan’i Dr Rasata momba  ireo antony mahatonga ity homamiadana ity. Noho izany, raha vao mivontovonto eo amin’ny tenda na mivonto any amin’ny faritra loha nefa tsy voadona dia mila mailo fa mety homamiadan’ny thyroïde, araka ny hafatry ny mpitsabo.  Mbola nanamafy izany i Ida Prisca fa vao misy mivontonvonto ny vatana dia “fadio mandeha atsy sy aroa, mandeha miotra ohatra. Tsy azo orina  ireny.  Mety tsy hita intsony ny fivontosana nefa vao maika mety hiparitaka. Aleo tonga dia manatona dokotera”. Vehivavy no betsaka voan’ny homamiadan’ny thyroïde, raha ny marary tsaboin’i Dr Rasata. Raha misy marary 10 tonga ao aminy dia ny valo (8) amin’ireo vehivavy avokoa, lehilahy ny roa (2) ambiny. “Ny vehivavy manana taova hafa mihoatra amin’ny lehilahy, toy ny taovam-piterana dia betsaka kokoa  ny tsirim-panentana  mandeha”, hoy i Dr Rasata  ka mety antony  maha betsaka ny vehivavy ho voan’ity homamiadana ity izany.  Nanambara i Ida Prisca fa araka ny fanazavan’ny mpitsabo taminy dia anisany nahatonga ny homamiadana tao aminy ny fikorontanany ny tsirim-panentana na “trouble hormonal”.  “Nisy fotoana mantsy tsy mandeha ny fadim-bolana ao anatin’ny dimy (5) volana. Mandeha tampoka indray dia avy eo tsy mijanona mihitsy. Mandeha dokotera hanajanona azy.  Marary foana aho, lasa spasme ho azy, toratorana, kizitina. Efa tao anatiko tao izany ilay homamiadana dia manakorontana tao anatiko tao fa tsy mbola fantatra”, hoy izy nijoro vavolombelona ny zava-nisy niainany. Fomba iray isorohana ity homamiadana ity ny fandanjalanjana ny sakafo hohanina, araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Sakafo ratsy ho an’ny thyroïde na mahavoa ny “goitre » ohatra ny laisoa sy mangahazo raha hohanina matetika sy misesy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *