Socio-eco

MKAJY: Ahazoana zana-bola hatramin’ny 9 % ny fampiasana ny tolotra Tahiry Be


Mba ahafahan’ny Malagasy mahazo tolotra fampindramam-bola sy fametraham-bola azo antoka sy tsotra dia nanatsara ny tolotra Tahiry Be ao anatin’ny Mkajy ny Orange Money sy ny “Première Angence de Microfinance (PAMF). Ahazoana tahan-jana-bola hatramin’ny 9% isan-taona ny fampiasana ny Tahiry Be.  Fametraham-bola tsy azo kitihina anatin’ny fotoana voafetra ity tolotra ity. Mahazo zana-bola rehefa mametraka vola ao anatiny.

Afaka misafidy ny fotoana hitahirizana ny vola ny mpanjifa. Mahazo zana-bola 9% ny mpanjifa raha misafidy ny hametraka volany ao anatin’ny enim-bolana. Taha-jana-bola 8,75 % kosa raha telovolana ary 8,5% raha iray volana. Ireo manana kaonty Orange money sy misoratra anarana amin’ny tolotra Mkajy sy Tahiry Be no afaka misitrika izany. Ao amin’ny application super App Max it na #144# no ahitana ity tolotra ity. Maimaimpoana avokoa ny fikirakirana rehetra ao amin’ny kaonty Tahiry Be, araka ny fanazavan’ny tomponanandraikitra. “Tahan-jana-bola tsara indrindra eto Madagasikara ity tolotra ity”, hoy Ratsimbazafy Guy, Tale Jeneralin’ny PAMF, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 10 jolay 2026, teny amin’ny Gare Soarano.

Manomboka amin’ny 10.000 Ariary ka hatramin’ny 10 tapitrisa Ariary ny vola afaka apetraka anatin’ny Tahiry Be. Afaka manana Tahiry Be miisa telo (03) ny nomerao Orange Money iray.

“Manamafy ny iraka ataonay izahay: ny fanamorana ny fisitrahan’ny daholobe ireo tolotra ara-bola, ny famporisihana amin’ny fanaovana tahiry ary ny fandraisana anjara amin’ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara”, hoy i Marie Victoire Comet, Tale jeneralin’ny Orange Money eto Madagasikara.

Rehefa tonga ny fotoana angalana ny vola dia mifindra ao amin’ny kaonty Tahiry tsotra Mkajy ilay vola ary avy eo alaina ao amin’ny Orange Money.  Nambaran’ny tomponandraikitra fa afaka maka ny volany mialohan’ny fotoana ny mpanjifa fa arakarak’izay ny hikajiana ny zana-bola

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *