Socio-eco

FIOFANANA MOMBA NY INTELLIGENCE ARTIFICIELLE : Manokatra lalam-pihariana ho an’ny tanora


Mivelatra hatrany ny fampiasana ny Intelligence Artificielle (IA) amin’ny sehatra maro, toy ny fambolena, ny fahasalamana, ny varotra ary ny tolotra nomerika. Anisan’ny fahaiza-manao takian’ny tsenan’ny asa ankehitriny ny fifehezana azy. Ho fanohanana ny tanora Malagasy dia nametraka fandaharan’asa fiofanana ahazoana mari-pahavitam-piofanana momba ny IA ny Orange Madagascar, amin’ny alalan’ny Orange Digital Center (ODC), miara-miasa amin’ny INGEDATA, orinasa matihanina amin’ny fikirakirana angon-drakitra (Data) sy ny IA. Nampahafantarina nandritra ny atrikasa Orange AINGA DATA, notanterahina ny 4 Jolay 2026 teny amin’ny Gare Soarano, izany tetikasa izany.

Mifototra amin’ny tranga tena iainan’ny orinasa sy mifanaraka amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa ny fiofanana. Hotanterahina ao amin’ny Orange Digital Center izy io ary mikendry ny hanofana tanora hahazo fahaiza-manao azo ampiharina avy hatrany eo amin’ny tontolon’ny asa.

Anisan’ny nisongadina tamin’io atrikasa io ny fitiliana sy fampivelarana ireo talenta malagasy eo amin’ny sehatry ny Data sy ny Intelligence Artificielle. Mpianatra sy matihanina manodidina ny 200 no nandray anjara, avy amin’ny oniversitem-panjakana sy tsy miankina ary ivon-toeram-piofanana isan-karazany, toy ny EMIT Fianarantsoa, ENI Fianarantsoa, MISA, Programme SESAME, ESTI, Sampam-pianarana Matematika, Orange Digital Center, Haute École d’Informatique (HEI) ary Institut National Supérieur d’Informatique (INS). Tanjona ny hampiroborobo ny nomerika ho loharanon’ny asa sy fampandrosoana eto Madagasikara.

Tetikasa nahazo loka sy nisongadina

Nandritra ny tontolo andro dia nisy famelabelaran-kevitra sy fifanakalozan-kevitra ary fifaninanana Ideathon, izay nanasana ireo mpandray anjara hamolavola, tao anatin’ny ora vitsy, vahaolana mifototra amin’ny Data na Intelligence Artificielle hamahana olana sedrain’ny orinasa. Nifanome tanana tamin’izany ireo mpamorona rindranasa (développeurs), manampahaizana momba ny angon-drakitra, mpianatra, tompon-tetikasa ary matihanina avy amin’ny sehatra samihafa.

Ny ekipa avy ao amin’ny Orange Digital Center no nahazo ny Grand Prix du Jury tamin’ny alalan’ny tetikasa Step Up Brain, sehatra iray manangona sy mandrindra ny angon-drakitra ary manampy amin’ny fanohanana ny fandraisana fanapahan-kevitra. Ny Prix Coup de Cœur kosa dia azon’ny ekipa avy amin’ny ENI noho ny tetikasany « Newsletter personnalisée », rafitra fandefasana vaovao mifanaraka amin’ny filàn’ny mpanjifa.

Hahazo fanohanana sy fiofanana fanampiny ao amin’ny Orange Digital Center ireo ekipa mpandresy, mba hahafahan’izy ireo mampivelatra bebe kokoa ny hevitra novolavolainy.

« Ny zavatra hitanay androany dia porofo fa manana ny fahaiza-mamorona, ny fahasahiana ary ny fahaiza-manao ilaina ny tanora malagasy hamadika ny filàn’ny orinasa ho vahaolana nomerika. Izany indrindra no antony iarahana miasa amin’ny INGEDATA hanangana fandaharanasa fiofanana ahazoana mari-pahavitana momba ny Intelligence Artificielle. Ny tanjonay dia ny hanofana andiany voalohany amin’ireo talenta malagasy amin’ny alalan’ny fiofanana mifototra amin’ny tranga tena misy, mba ho isan’ireo hanorina ny hoavin’ny IA eto Madagasikara », hoy i Aminata Ndiaye, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar.

Nanamafy kosa i Mathieu Debersée, Directeur des Opérations (COO) ao amin’ny INGEDATA, fa ny fiaraha-miasa amin’ny Orange Madagascar dia maneho ny finoan’izy ireo fa ny fahafehezana ny Data sy ny Intelligence Artificielle dia miainga amin’ny fiofanana sy ny fampiharana. « Faly izahay manohana talenta vaovao eto Madagasikara ity ary manokatra ho azy ireo fahafahana tena misy eo amin’ny sehatry ny asa », hoy izy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *