Socio-eco

BNGRC : Miomana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mety hitranga ao Toamasina II


Taorian’ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Gezani nandalo ny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro tamin’ireo distrika enina (6), Toamasina I, Toamasina II, Brickaville, Ambatondrazaka, Amparafaravola ary Moramanga dia efa miomana amin’ny mety hisian’ny tsy fanjarian-tsakafo ao amin’ny Toamasina II ny BNGRC  ( Birao Nasionaly Misahana ny Fitantanana ny Tandindondoza sy loza ). « Efa hita sahady tamin’ny alalan’ny IPC (Integrated Food Security Phase Classification), fitaovana iraisam-pirenena ampiasaina amin’ny fanadihadiana ny fanombanana ny hamafin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny tsy fahampiantsakafo ny hitrangan’ny tsy fanjarian-tsakafo ao Toamasina II afaka telo volana », hoy ny tale jeneralin’ ny BNGRC, ny Jeneraly RAMANANTSOA Gabriel. Tsy ny sakafo no tsy misy fa ny fahefan’ny olona hividy noho ny faharavan’ny fitadiavana an-davanandro ka misy fiantraikany any amin’ny fahefa-mividy.

Ankoatra izay dia nilaza ny météo Madagasikara fa hihamafy ny rivodoza amin’ny fahavaratra 2026-2027 noho ny El Nino. Mafy ny herin’ny rivodoza noho izany. Efa nihomana amin’ny mety hitrangan’ny loza voajanahary hitranga eto Madagasikara ihany koa ny BNGRC eo anatrehan’izany. Hatsaraina hatrany ny fitantanana ny loza sy tandidondoza ahafahana miatrika ny taom-pahavaratra ho avy io, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny BNGRC.

Ho fanarenana sy fanorenana an’i Toamasina dia misy lalan-jotra fito (7) sahan’ny UCR ( Unité de Coordination de la Reconstruction )Toamasina. Voalohany ny famerenana ny herin’aratra, faharoa,  ny eo amin’ny fahasalamana, fahatelo, ny fanabeazana, faha efatra, ny fanarenana ny fotodrafitr’asam-panjakana, faha dimy, ny fanarenana ny tanana, faha enina, momba ny sehatra tsy miakina ary faha fito, ny fanomezana tafo.

Nisy ny tatitra navoakan’ny BNGRC sy ny UCR  vokatry ny rivodoza Gezani sy ny natao taorinan’ny fandalovan’ny rivodoza nandritra ny fanodianana fandaharana iray handeha ao amin’ny TVM. Mitentina 1.831. 816. 172, 5 Ariary ny vola fanampiana voaangona. Miisa 106 390 ny tokatrano tra-doza, 431 967 ny isan’ireo olona voakasiky ny fahavoazana. 52 no maty, 13 tsy hita popoka ary 802 no naratra. Miisa 23 610 ny trano potika tanteraka. 48 639 no simba.

Teo anatrehan’izany fahavoazana izany dia nisy ny fanomezana la bâche sy trano lay miisa 5868. Olona nampiana teo amin’ny fivelomana, miisa 109 250. Nozaraina vola tamin’ny alalan’ny cash ireo toka-trano  miisa 212 943. Nojerena  manokana ireo tantsaha mpiompy sy mpamboly ary ny mpanjono. Miisa 2099 ny mpamboly, 1000 ny mpiompy ary 300 ny mpanjono.

Ankoatra izany dia nisy ny tohana eo amin’ny ny maha olona. 1696 ny nahazo rano fisotro madio. 6280 nahazo kit fitaovana ampiasaina amin’ny fidiovana. 172 623 kosa ireo olona nahazo kit fidiovana.

Mitohy ny ezaka fanarenana an’i Toamasina I sy II izay nahita fahasimbana 90%

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *