Socio-eco

FAMATO: Andian-tantara manasongadina fomba amam-panao malagasy ao amin’ny StarTimes


Fomba malagasy iray ampiasaina hiarovana fananana na tanàna na olona ny « Famato ». Niainga tamin’io fomba nentim-paharazana io no namoronana ny andian-tantara FAMATO, novokarin’ny Out-line Movies, trano mpamokatra sarimihetsika malagasy.

Ny televiziona nomerika StarTimes no hampiditra voalohany ity andian-tantara ity, izay manasongadina ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Hanomboka ny 12 aogositra 2026 ny fandefasana azy ao amin’ny fantsona GasyStar, manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma amin’ny 6 ora hariva.

Hisy ny famerenana ny ampitson’iny amin’ny 7 ora sy sasany maraina sy amin’ny 12 ora atoandro. Ho an’ireo izay te hanaraka ireo fizarana rehetra, dia hisy ihany koa ny famerenana manontolo amin’ny faran’ny herinandro, ny sabotsy amin’ny 8 ora maraina ary ny alahady amin’ny 4 ora hariva.

Mitantara ny fiainam-piarahamonina ny FAMATO, ka ahitana lohahevitra toy ny fitiavana, ny fahefana, ny harena ary ny herisetra eny anivon’ny fiarahamonina.

Ahitana fizarana miisa 40, izay maharitra 45 minitra avy ny andiany. Handeha mandritra ny roa volana eo ho eo ao amin’ny StarTimes izany.

« Nosafidiana manokana ity lohahevitra ity mba hanasongadinana ny kolontsaina sy ny fomba malagasy, izay nanana anjara toerana teo amin’ny fandrindrana ny fiarahamonina sy ny fitandroana ny filaminana », hoy i Rabefenitrisa Nosaina, tomponandraikitra ao amin’ny Out-line Movies, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety natao ny 29 jolay 2026.

Nanamafy i Haja Randria, tomponandraikitra misahana ny votoatin’ny fandaharana ao amin’ny StarTimes, fa ny fandefasana ity andian-tantara ity dia fomba iray hiverenan’ny mpijery any amin’ny fototra sy ny kolontsaina nentim-paharazana, sady natao ho an’ny besinimaro ary ahitana lesona azo tsoahina.

FAMATO no horonantsary voalohany novokarina eto an-toerana avoakan’ny StarTimes. « Ho fanomezana lanja ireo trano mpamokatra sarimihetsika malagasy sy ny asa famoronana eto an-toerana no anton’ny fandefasana ireo vokatra malagasy », hoy i Randrianarivony Nantenaina, lehiben’ny ekipa misahana ny serasera.

Ankoatra ireo fandaharana fialamboly efa atolotr’ity televziona nomerika ity, toy ny sarimihetsika vahiny voadika amin’ny teny malagasy sy ireo fandaharana ara-panatanjahantena iraisam-pirenena (LaLiga, Bundesliga) tantaraina amin’ny teny malagasy, dia anisan’ny fanitarana ny votoaty atolotra ho an’ny mpijery malagasy ny andian-tantara FAMATO.

RA-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *