Socio-eco

TANTARAN’NY ZAVAKANTO MALAGASY : tetikasa fikarohana telo nahazo ny vatsim-pikarohana avy amin’ny fonds Yavarhoussen sy INHA


Miavaka ny andiany fahaenina amin’ny « bourse Yavarhoussen–INHA ».  Mpikaroka telo mitovy laharana no mahazo ny vatsim-pikarohana momba ny tantaran’ny zavakanto sy ny vakoka ara-kolontsaina Malagasy, taorian’ny fanapahan-kevitry ny mpitsara nandritra ny adihevitra naharitra adiny roa. Fanapahan-kevitra miavaka izany, satria tamin’ireo antontan-taratasy fangatahana 16 voaray tamin’ity taona ity no nisafidianana ireo mpandresy.  

Avy amin’ny firenena maro samihafa toa an’i Etazonia, Canada, Caméroun, Madagasikara ary Frantsa ireo mpianatra sy mpikaroka nandefa ny fangatahana. Ndranto Jacob Ranarivelo, Julie Rateau-Holbach ary Armelle Malvoisin no nahazo ny vatsim-pikarohana ho an’ny taona 2026. Samy manana tetikasa mikendry ny hampitombo ny fahalalana momba ny tantaran’ny zavakanto sy ny vakoka ara-kolontsaina malagasy izy ireo.

Ny sariitatra malagasy, endrika iray hanehoana ny fiarahamonina

Mpianatra Master momba ny Tantara ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo i Ndranto Jacob Ranarivelo.  Tamin’ny alalan’ny tetikasany mitondra ny lohateny hoe « Ny sariitatra malagasy: avy amin’ny gazety vita pirinty ka hatramin’ny fanesoana nomerika » no nahazoany ity vatsim-pikarohana ity.

Ny fikarohana ataony dia mandinika ny fivoaran’ny sariitatra malagasy, manomboka amin’ny sary an-gazety hatramin’ireo endrika maoderina miparitaka amin’ny sehatra nomerika. Hojerena ao anatin’izany ny fivoaran’ny sariitatra tao amin’ny gazety nivoaka tamin’ny taona 1940 sy 1950 ka hatramin’ireo tambajotra sosialy ankehitriny.

Amin’ny alalan’ity fikarohana ity no handinihana ny fomba ampiasan’ny sariitatra hanehoana ny zava-misy iainan’ny fiarahamonina, hitsikerana ny fahefana ary hanehoana ireo olana ara-tsosialy sy ara-politika eto Madagasikara.

Hampiasa ireo tahirin-gazety tranainy voatahiry ao amin’ny Tahirim-pirenena malagasy i Ndranto Jacob Ranarivelo, ary handalina ihany koa ny tahirin’i Elisé Ranarivelo, mpanao sariitatra an-gazety malagasy malaza sady nahazo ny loka Crayon d’Or tamin’ny taona 1995.

Mamerina ny tantaran’ireo mpanakanto malagasy nandray anjara tamin’ny fampirantiana fanjanahantany

Manana mari-pahaizana doctorat amin’ny tantaran’ny zavakanto ankehitriny avy ao amin’ny Oniversiten’i Aix-Marseille i Julie Rateau-Holbach. Nahazo ny  vatsim-pikarohana izy noho ny tetikasany momba ny « Mpanao asa tanana sy mpanakanto malagasy tamin’ireo fampirantiana fanjanahantany tany Marseille (1906–1922) ».

Mifantoka amin’ireo fampirantiana lehibe natao tany Marseille tamin’ny taona 1906 sy 1922, izay manambara ampahany lehibe amin’ny famoronana sy ny famokarana ara-javakanto malagasy tamin’izany fotoana izany ny fikarohana ataony.

Anisan’ny hodinihina ireo mpanao asa tanana sy mpanakanto Malagasy (mpanenona, mpanao sary sokitra ary mpanao hosodoko nalaina tao Antananarivo) izay mbola tsy dia fantatra loatra ny anarany sy ny tantarany hatramin’izao.

Amin’ny alalan’ny fampitambarana ireo tahirin-kevitra any Frantsa sy ireo antontan-kevitra ao amin’ny Tahirim-pirenena malagasy any Antananarivo no hanatanterahana ity fikarohana ity. Kendrena ny hamorona tahirin-kevitra manokana mirakitra ny anaran’ireo mpanao asa tanana malagasy nandray anjara tamin’ireo fampirantiana tany Marseille.

Mpanakanto nanokatra lalana vaovao ho an’ny zavakanto malagasy

Ny tetikasa fahatelo nahazo ny vatsim-pikarohana Yavarhoussen–INHA 2026 dia an’i Armelle Malvoisin, mitondra ny lohateny hoe « Victoire Ravelonanosy (1910–1981) : circulations artistiques, réappropriations culturelles et construction d’une modernité malgache ». Mandinika ny fivoaran’ny zavakanto, ny fanasongadinana ny maha-Malagasy ary ny famoronana endrika vaovao amin’ny zavakanto malagasy ity fikarohana ity ary mikendry ny hampahafantatra bebe kokoa ny mpanakanto mbola tsy dia nodinihina. Amin’ny alalan’ny tantaran’i Ravelonanosy Victoire no handinihana ireo endrika vaovao ara-javakanto nipoitra avy amin’ny traikefa sy ny kolontsaina malagasy.

Hifototra amin’ireo tahiry hita any Aix-en-Provence, Madagasikara ary Tunisie ny fikarohana, ka hijery ny fomba namolavolan’i Ravelonanosy Victoire ny fomba fanehoany ara-javakanto tao anatin’ny vanim-potoana nanamarika ny fiafaran’ny fanjanahantany sy ny fiandohan’ny fahaleovantena.

Manasongadina ny anjara toeran’ny zavakanto amin’ny fanokafana lalana vaovao ho an’ny fanehoan-kevitra sy ny fahafahan’ny vehivavy maneho ny maha izy azy ihany koa ity fikarohana ity.

Mpanao gazety ara-kolontsaina sy mpikarakara fampirantiana momba ny zavakanto afrikanina ankehitriny i Armelle Malvoisin. Taorian’ny 30 taona niasana dia manohy fianarana Master momba ny tantaran’ny zavakanto ao amin’ny Oniversiten’i Rennes 2 izy.

Vatsim-pikarohana hanamafisana ny fahalalana momba ny zavakanto malagasy

Natsangana tamin’ny taona 2021 ny vatsim-pikarohana Yavarhoussen–INHA, noho ny fiaraha-miasan’ny Fonds Yavarhoussen sy ny Institut national d’histoire de l’art (INHA), mba hanohanana ireo fikarohana momba ny tantaran’ny zavakanto sy ny vakoka ara-kolontsain’i Madagasikara.

Mitentina 17 000 euros ny vatsim-pikarohana, izay natao hamatsiana ny asa eny ifotony, ny fikarohana ireo tahirin-kevitra, ny fandinihana ireo sanganasa ary ny fihaonana amin’ireo mpanakanto sy mpahay tantaran’ny zavakanto.

Aorian’ny herintaona fikarohana dia hanolotra lahatsoratra ara-tsiansa ireo mpandresy. Hisy ihany koa ny andro fianarana natokana ho an’ny tantaran’ny zavakanto malagasy hatao ao amin’ny INHA amin’ny volana Janoary 2027.

Ny Fonds Yavarhoussen, naorin’i Hasnaine Yavarhoussen tamin’ny taona 2019, dia manohana ny fampiroboroboana ny maha izy azy ara-kolontsaina sy ara-javakanto malagasy. Anisan’ireo tetikasa tohanany ny ivon-toerana Hakanto Contemporary miorina eto Antananarivo izay sehatra natokana ho an’ny zavakanto malagasy ankehitriny, ary ny fanohanana ny fandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny Biennale de Venise tamin’ny taona 2019.

Manana andraikitra lehibe amin’ny fampiroboroboana ny fikarohana momba ny tantaran’ny zavakanto, amin’ny alalan’ny fanohanana ireo mpikaroka sy ny fampivelarana ny fiaraha-miasa ara-tsiansa iraisam-pirenena kosa ny INHA.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *