Socio-eco

MANAMAITSO SEKOLY : Tetikasa vaovao hanabeazana ny ankizy sy tanora hiaro ny tontolo iainana


Natomboka teny amin’ny sekoly nomerika Masindray ny tetikasa « Manamaitso Sekoly ». Tetikasan’ny Orange Madagascar tanterahina ao anatin’ireo Sekoly Nomerika tantaniny izy io, ka mikendry ny hampivelatra ny fitiavan’ny mpianatra ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fanabeazana ara-tontolo iainana. Hanampy amin’ny famatsiana ny fampisakafoana an-tsekoly (cantine scolaire)  ihany koa ny vokatra azo avy amin’ireo zaridaina. Zaridaina fambolena sy tanin-janakazo mirefy 463 metatra toradroa no natsangana tao, ka mpianatra miisa 200 no hisitraka izany.

Tanjona amin’ny « Manamaitso Sekoly » ny hampiditra ny fiarovana ny tontolo iainana ao anatin’ny fiainan’ny sekoly andavanandro. Hianatra hikarakara zaridaina sy hamboly legioma ary hazo ny mpianatra sy ny mpampianatra, sady hahafantatra bebe kokoa ny lanjan’ny fanodinana fako sy ny fiarovana ny zavaboary.

Ankoatra ny lafiny fanabeazana dia hanampy amin’ny fanatsarana ny fampisakafoana eny an-tsekoly ihany koa ny vokatra azo amin’ireo zaridaina, ka hampitombo ny fahaleovantenan’ny sekoly amin’ny famatsiana ny sakafo.

 » Natao hampandraisana anjara mivantana ny ankizy sy ny mpampianatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny tetikasa, mba hahafahana mametraka fomba fanao maharitra ho an’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy », hoy i Benja Arson, filohan’ny Orange Solidarité Madagascar.

Kasaina haparitaka manerana an’i Madagasikara

Nandray anjara tamin’ny fambolena, fananganana toerana maitso, fanentanana momba ny fanodinana fako ary lalao fanabeazana ny mpianatra, ny mpampianatra, ireo mpiasan’ny Orange Madagascar an-tsitrapo ary ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny nandritra fanokafana ity tetikasa ity, ny 23 jona 2026.

Hokendrena haparitaka amin’ireo Sekoly Nomerika rehetra ny « Manamaitso Sekoly », araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra hatrany. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa « Miara Manamaitso ny Tontolo » izany, izay mifantoka amin’ny fampihenana ny entona mandoto, ny fambolen-kazo sy fambolena mahasoa, ny fanodinana fako ary ny fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana.

Tamin’ity taona ity, nandritra ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Tontolo Iainana, dia nanatanteraka hetsika maro ny Orange Madagascar, toy ny fambolen-kazo tao Brickaville niaraka tamin’ny ONG Canopy, fanentanana tany amin’ireo Sekoly Nomerika ary fiaraha-miasa vaovao tamin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.

Toerana 13 manerana ny Nosy no nanaovan’ny orinasa fambolenkazo ho an’ny taona 2026. Zana-kazo manodidina ny 41 000 no voavoly. Ho fandraisana anjara amin’ny fanarenana ny tontolo voajanahary sy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro no -tanjon’ny orinasa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *