Tsy ny sariny malaza ihany no hitan’ny mpitsidika mandritra ny fampirantiana « Pierrot Men – FOFON’IANA (Vents de vie – Winds of Life) » eny amin’ny Hakanto Contemporary, Ankadimbahoaka. Sambany ihany koa no aseho ampahibemaso ny sary hosodoko nataony fony mbola tanora, talohan’ny nifidianany tanteraka ny fakàna sary ho sehatra nanehoany ny talentany.
Tanjona ny hampahafantatra ny lafiny iray mbola tsy dia fantatry ny maro momba an’i Pierrot Men, araka ny fanazavan’i Rina Ralay Ranaivo, mpikarakara ny fampirantiana.
« Sambany izy nanaiky hampiseho ampahibemaso ny sary hosodokony. Adidintsika ny mitahiry sy mampita ny lova navelan’ity olo-malaza eo amin’ny sehatry ny fakàna sary malagasy ity. Harem-pirenena i Pierrot Men », hoy izy.
Mandritra ity fampirantiana ity, izay atao ny 4 jolay 2026 ka hatramin’ny 14 febroary 2027, dia ahitana sary 400 mahery, tahirin-kevitra manokana, sary mbola tsy naseho hatramin’izay, ary ireo sanganasa nampalaza azy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Zava-nitranga iray nanova tanteraka ny fiainany
Talohan’ny naha olo-malaza azy teo amin’ny tontolon’ny fakàna sary dia ny ho mpanao hosodoko no nofinofin’i Pierrot Men. « Fony aho 13 taona dia nisy mpanao hosodoko, Razafintsalamana Noël, tonga tao amin’ny sekolinay. Rehefa nahita ny hosodokony aho dia naniry ho lasa mpanao hosodoko », hoy izy nitantara.
Sary nalaina tamin’ny fakan-tsary no nalainy tahaka nanaovana hosodoko. Fakantsary Kodak an-drainy no nakany ny sary. Tsy ela anefa dia nanomboka nahasarika azy kokoa ny fakàna sary.
« Nasehoko vehivavy iray mpanao hosodoko ny sary hosodoko sy ny sariko. Hoy izy tamiko hoe: tsara kokoa ny sariko noho ny hosodoko ka tsara raha mifantoka amin’ny fakàna sary aho. Nino ny teniny aho. Raha tsy nihaona taminy angamba aho, dia mety mbola mpanao hosodoko mandraka ankehitriny. Izay no tena nanova ny fiainako », hoy hatrany i Pierrot Men.
Fampirantiana mizara telo
Miparitaka amin’ny velarana 2.000 metatra toradroa ny fampirantiana “Pierrot Men- FOFON’AINA” ary mizara ho sehatra telo.
Ny voalohany dia natokana ho an’ireo sary nahafantarana azy sy iore sangan’asa tsy mbola naseho ampahabemaso. Ny faharoa kosa mampahafantatra ireo hosodoko nataony tamin’ny fahatanorany, raha ny fahatelo kosa mampiseho ny tahirin-kevitra momba ny fiainany manokana sy ny fianakaviany.
Ho an’i Pierrot Men, miavaka ity fampirantiana ity satria sambany izy namela olona hafa hisafidy ireo sanganasany.
« Misy sary maro ato izay mbola tsy naseho mihitsy. Ny sasany aza tsy tiako tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny vao hitako indray ny hakantony », hoy izy.
Teraka tao Midongy Atsimo tamin’ny taona 1954 i Pierrot Men ary monina ao Fianarantsoa. Nanomboka tamin’ny taona 1970 izy no nifantoka tamin’ny fakàna sary, ary tamin’ny 1995 dia nahazo ny Leica Oskar Barnack Award, loka nampalaza ny asany teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ankehitriny, amin’ny alalan’ny Labomen ao Fianarantsoa, mbola mampita ny traikefany amin’ireo taranaka tanora mpaka sary izy. Ho an’i Hakanto Contemporary, tsy fampirantiana fotsiny “FOFON’IANA” fa ezaka hitahirizana sy hampahafantarana ny lova navelan’ny iray amin’ireo olo-malaza indrindra eo amin’ny tantaran’ny fakàna sary eto Madagasikara.
Ra-Nirina



