Socio-eco

POESAM 2017: Tetikasa telo avy eto an-toerana hiatrika ny fifanintsanana.


Tetikasa telo hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifantenana ireo tetikasa hisitraka ny loka  omen’ny Orange  ho an’ny mpandraharaha  ara-tsosialy manerana an’i Afrika sy Moyen-Orient (POESAM), andiany 2017. Hifaninana amin’ireo  51 notsongaina   ny tetikasa momba ny fizarana ny sakafo tsara kalitao sy azo hohanina  « Manzer-Partazer », ny fisitrahana ny angovo azo havaozina  « Majika » ary famantarana ny  toe- pitohanan’ny fiarakodia amin’ny fotoana rehetra « Betaksys System Madagascar ». Amin’ny alalan’ny fampiasana ny finday avokoa no hanaovana izany.

Araka ny fanazavana voaray, miompana amin’ny fambolena, angovo, fanabeazana, « e-commerce »… ny POESAM. Hotohanana ara-bola mitentina 5000 ka hatramin’ny 25.000 euros ny tetikasa efatra mendrika indrindra.

Nozarain’ny orinasa Orange eto Madagasikara amboara ireo telo tetikasa    voafidy  avy eto an-toerana hiatrika ny POESAM 2017.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *