Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR: Miantoka ny fampandrosoana ny orinasa ny fanomezana lanja ny mpiasa.


 Voasokajy ho orinasa manana politikan’ny fitantanana ny mpiasa ao aminy ny “Orange Madagascar”.  Nahazo ny amboara “Top employer” ity tambazotran- tserasera ity taorian’ny fitsirihana sy fanadihadiana ny dingana sy ny antontan-kevitra  momba izany.

Anisany singa iray nandrombahan’ny Orange ny amboara ny fepetra ahafahan’ny mpiasa misitraka asa tsara sy mivelatra hatrany amin’ny tontolon’ny asa.  Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana.  “Miantoka ny fampiroboroboana ny orinasa ny  traikefan’ny mpiasa na lahy na vavy ka mendrika ny tohanana izy ireo”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Orange, Michel DEGLAND.

Natao tany  Johannesbourg  ny 12 oktobra 2017 ny  fizarana ny  amboara Top employer 2018 ka nanatrika izany ny Tale misahana ny mpiasa, Zo Andriatsilavo.

 Nirina R.

Vote final

Note finale 0

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *