Socio-eco

OMACI: Mitondra fampandrosoana ara-tsosialy sy ekonomika ny sarimihetsika.


Voafaritra ao anatin’ny lalana laharana 2017-011 ny politika nasionaly ho an’ny sarimihetsika Malagasy. Efa miroso amin’ny fampiharana tsikelikely ny asa rehetra tokony hanatsarana ity sehatra ity ny ofisy Malagasy momba ny sarimihetsika (OMACI).

Tafatsangana ny komity izay misolo tena ny orinasa mpamokatra sarimihetsika eto Madagasikara. Notanterahina nandritra fivoriana fanaon’ny ofisy  isaky ny roa volana ny fifidianana izany. “Hanampy amin’ny fanatontosana ireo laharam-pamehana miaraka aminay io komity io. Ao anatin’izany ny fanatsarana ny fomba fanoratana tantara, ny fanamafisana fahaiza-manaon’ireo mpilalao sarimihetsika. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny “jeux video” ary ny famokarana horonantsary ”, hoy ny Tale jeneralin’ny OMACI, Bon-Temps RAMITANDRINARIVO.

Manana  vina  hampandroso ara-tsosialy sy toekarena ny firenena Malagasy  amin’ny alalan’ny  sarimihetsika ny OMACI.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *