Socio-eco

KAOMININA SOAVINA ATSIMONDRANO: Nanokana teti-bola hampifaliana ireo sahirana.


Mponina sahirana 200 ao amin’ny kaominina Soavina, distrika Atsimondrano nahazo vatsy iatrehana ny fetin’ny taom-baovao. Nomen’ny Ben’ny Tanana sy ny ekipany vary telo kilao, “pâte nouille”, mofo dipaina, “biscuit”, savony…izy ireo mba hanamaivanana ny fahasahirana. Eo ihany koa ny fanampiana azy ireo hiaina ao anatin’ny fety tahaka ny olon-drehetra. “Laoka sisa no tadiavina. Ampy iatrehan’izy ireo ny fetin’ny taom-baovao ny fanomezana nozaraina azy ireo”, hoy ny Ben’ny kaominina Soavina Rigobert Rakotoarisoa.

Nosafidiana manokana ireo olona tra-pahasembanana, beantitra, fianakaviana sahirana tamin’ity fizarana ity. Ireo lehiben’ny fokontany no nanao lisitr’ireo mpahazo tombontsoa.

Araka ny fanazavan’ny Ben’ny Tanana hatrany fa noho ny fiaraha-miasa tamin’ireo orinasa tsy miankina sy ny vola natokan’ny kaominina hanaovana asa sosialy, afaka nampifaly ny mponina sahirana ao Soavina ny kaominina.

Nampanantena ny vahoakan’i Soavina ihany koa ny Ben’ny Tanana fa mbola hisy ny fiarahana misakafo atao ho fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2018.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *