Le nombre de candidats déclarés à l’élection présidentielle prévue se tenir cette année 2018 ne cesse de s’accroître. Comme si le rêve de devenir le numéro un de l’Etat est à la portée de tout le monde. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
« MAISON DIGITALE » FIANARANTSOA : Vehivavy maro hahazo tombontsoa
Novatsian’ny fikambanana « orange Solidarité » fitaovana nomerika ahitana « tablettes » 10, « serveur Raspberry » iray, « imprimante » iray, « vidéo projecteur » iray, « clés USB » ary « ordinateurs portables » dimy ny « maison Digitale pour les Femmes » ao Isaha Fianarantsoa. Continuer la lecture
ANTOKO HVM: Manameloka ny fanapoahana “grenade”
Raisin’ny antoko HVM ho resaka politika ny fanapoahana baomba tao amin’ny birao foiben’ny Antoko eny Antanimena. Araka ny fanazavana voaray, nisy nanipy “grenade” teo anoloan’ny tokontanin’ny birao ny sabotsy alin’ny 24 martsa 2018. Continuer la lecture
FAMPANDROSOANA: Kaominina 992 nozaraina vola ampahibemaso
Kaominina 992 eto Madagasikara nahazo famatsiam-bola avy any amin’ny banky iraisam-pirenena. Samy nahazo vola mitentina 15 tapitrisa Ariary avy ireo kaominina ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PAPSP na Paik’Ady am-Pivoarana ny Sehatr’Asam-Panjakana izy ity. Continuer la lecture
Kely toy ny ahoana no atao hoe kely loatra? Ny ho avy ankamantatry ny zara-alan’i Madagasikara
Ankafobe, Madagasikara – Raha vao nilaza tamin’ireo mpiara miasa taminy tany amin’ny Missouri Botanical Garden i Jean Jacques Rasolofonirina fa mbola misy gidro monina ao amin’ny alan’Ankafobe dia tsy nisy nino azy. Continuer la lecture
ONIVERSITE ACEEM: “Izay mahay ihany no afaka”
Mpianatry ny oniversite ACEEM Manakambahiny miisa 320 navoaka tamin’ny fomba ofisialy. Nisalotra ny anarana “Miatrika” ireto andiany ireto.
Anterivava : William RATREMA
Araka ny fanazavan’ny tale mpanorina ny vondrom-panabeazana ACEEM, William Ratrema nandritra ny lanonana famoahana azy ireo ny zoma 23 martsa 2018, teny amin’ny CCI Ivato, fa manahirana ny fiainana ka entina hitaizana ireto mpianatra ireto ho vonona hiatrika ny fahasarotan’ny fiainana no antony nisafidianana ny anaran’ny andiany. Andiany faha-8 ireo mpianatra nahazo ny mari-pahaizana Licence ary faha-4 kosa ireo mpianatra nahazo ny diplaoma Master. Nohamafisin’i William Ratrema fa miezaka mamolavola tanora tena manam-pahalalana ny oniversite. Matoa omena mari-pahaizana dia tena ny fahaizany no antony hanomezana azy. Tsy misy izany mari-pahaizana omena maimaim-poana izany fa izay mahay no afaka”, hoy i William Ratrema.
Fiarahamiasa any ivelany
Efa be dia be ireo mpianatry ny oniversite ACEEM no nanohy ny fianarany any ivelany. Miara-miasa amin’ny oniversite IESEG any Lille ny ACEEM. “Mampalahelo anefa indraindray fa tsy miverina eto an-tanindrazana intsony ireo mpianatra. Sekoly manan-danja ny IESEG ka hifandrombahan’ny orinasa any ivelany ny mpianatra mivoaka ao. Raha ny tokony ho izy anefa dia tokony hiverina eto an-toerana hanasoa ny firenena ireo mpianatra”, hoy ny filoha mpanorina ny vondrom-panabeazana ACEEM. Ankoatra izany, miara-miasa amin’ny orinasa avy eto an-toerana ihany koa ny oniversite ho fanamorana ny fampidirana ireo mpianatra amin’ny sehatry ny asa.
Nirina R.
Réseau National des Femmes Handicapées de Madagascar: Famelabelaran-kevitra sy asasoa
« Vehivavy manana fahasembanana manao fanomezana ho an’ny zokiolona sahirana ». Io no endrika entin’ny Réseau National des Femmes Handicapées de Madagascar, RNFH mandray anjara, toy ny fikambanam-behivavy rehetra, mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho azy ireo, sady mbola volana martsa rahateo izao. Continuer la lecture
RECEF: Ilaina ny vehivavy amin’ny fifidianana
Mampanjaka ny demokrasia ny fampandraisana anjara ny vehivavy sy ny vitsy an’isa amin’ny fifidianana. Amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao anatin’ny firenena mampiasa na amin’ny manontolo ny teny frantsay, nosafidian’ny RECEF (réseau des compétences électorales francophones) Continuer la lecture
FANARARAOTANA MAMOAFADY: Tomponandraikitra ny haino aman-jery
Misy fiantraikany ratsy amin’ny ankizy niharan’ny fanararaotana mamoafady ny fitantarana ny antsipirian’ny zavatra nitranga niainany amin’ny haino aman-jery. Continuer la lecture
ASA SOSIALY : « Mamerina olona amin’ny tena maha olona azy ».
Anterivava : Landry RAMBELOMANANA
Tsy asa soa fa asa fanarenana olona iray ny asa sosialy. « Mamerina olona iray amin’ny tena maha olona azy ny asa sosialy », hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny ISTS ( Institut Supérieur de Travail Social ), Landry RAMBELOMANANA. Continuer la lecture











