Non classé

FAMPIHAVANAM-PIRENENA: Tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy


Anterivava : Maître Valisoa RAZAFIMAHATRATRA

Manana andraikitra amin’ny fanorenana indray ny firenena sy ny repoblika ny CFM na ny kaomity ny fampihavanana Malagasy. Mandeha eny ifotony ny fampihavanana ka natomboka tamin’ny fampahafantarana ny CFM teo amin’ireo tomponandraikim-panjakana ambony sy ny sampan-draharaha eny amin’ny faritra izany. Hisy ihany koa ny fidinana eny amin’ny distrika sy ireo fokontany. Any amin’ny faritry vakinakaratra, efa misokatra ny biraom-paritra ao Antsirabe. Azon’ny rehetra manam-paniriana hitafa sy hidinika na manana fangatahana tiana atao io birao io. “Mandeha tsikelikely ny fanorenana ifotony. Tsy ho vita ao anatin’ny iray volana na herin-taona fa tsy maintsy hatomboka aloha ary any amin’ny fototra no hanombohana azy”, hoy Maître Valisoa RAZAFIMAHATRATRA, “rapporteur general” ny CFM. Tsy ho vitan’ny birao na ny mpikambana ao amin’ny CFM samy irery anefa izany fanorenana ifotony izany fa andraikitry ny rehetra. Nomarihany fa misy vaomiera manokana ny “fanorenana indray ny firenena sy ny repoblika”.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *