Non classé

VISION MADAGASCAR : « Niorina tamin’ny fitiavana ny firenena Malagasy »


Feno 71 taona amin’ity taona 2018 ity ny tolona nataon’ny Malagasy mahery fo tamin’ny 29 martsa 1947. Nanatrika ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana tao amin’ny Moramanga ny Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa « Vision Madagascar » na VIMA, Zouzar BOUKA. Manan-danja ny tolona nataon’ireo mahery fo satria nanafaka ny Malagasy tamin’ny ziogan’ny Frantsay ity tolona ity. Anisany toerana manan-tantara tamin’ny tolona 29 martsa 1947 ny tao Moramanga. Tao no namonoana ireo mpitolona tamin’ny alalan’ny tifitra variraka tao anatin’ny lamasinina.

Anterivava: Zouzar BOUKA , Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa « Vision Madagascar »

« Niorina tamin’ny fitiavan-tanindrazana ny firenena Malagasy fa tsy tamin’ny fankahalana », hoy i Zouzar BOUKA.
Nisolo tena ny orinasa VIMA Woods ao Moramanga i Zouzar BOUKA amin’ny maha tomponandraikitra voalohany azy ao amin’ny orinasa VIMA. Sampana iray ao amin’ny VIMa ny VIMA Woods. Mamboly hazo kesika ao Moramanga amin’ny velaran-tany 1000 hektara ny orinasa. Ao an-toerana ao ihany ny ozinina manodina ny hazo ho « planche », « chevron », « madrier ». Misy amin’ireo vokatra no ahondrana any amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana. Nambaran’ny Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fitrandrahana ny ala ataon’izy ireo.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *