Ho tanterahana ny 23 Mai 2018 ka hatramin’ny 27 Mai 2018 eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny « La Grande Braderie de Madagascar » natokana amin’ny fetin’ny reny. Continuer la lecture
Auteur R Nirina
Antoko PSD : Mangataka ny fialàn’ny governemanta
Manahy ny hisian’ny fifandonana amin’ireo mpifanandrina ny « Parti Social Democrate de Madagascar » ( PSD). Noho izany, mangataka ny fialan’ny praiministra sy ny governemanta tantaniny izy ireo. Continuer la lecture
Tsy fanjarian-tsakafo: Ny tantsaha no tena iharany
Voatery varotana ny ampaham-bokatra mba hahazoana vola hividianana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Continuer la lecture
FAHASALAMANA : Nitombo ny mpitsabo mpanampy sy ny mpampivelona.
Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny oniversite Maninday toliary ny mpitsabo mpanampy sy ny mpampivelona tao amin’ny sampam-pampianarana mpitsabo . Continuer la lecture
RMTF : Fanovana rafitra fa tsy olona
Roa taona lasa izay no nanambara ny Rodoben’ny Malagasy Tia Tanindrazana ho amin’ny fanorenana ( RMTF ) fa fitondrana jadona sy mpamono olona ny fitondrana HVM. Continuer la lecture
ONIVERSITE HPI/MASCA: Mamolavola mpianatra hamorona asa
Namoaka mpianatra nahazo ny mari-pahaizana Licence indray ny oniversite HPI/MASCA Sabotsy Namehana. Mpianatra 37 avy amin’ny lalam-piofanana fitsaboana (Paramedicaux), fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, (Agronomie) ary serasera (communication et journalisme) ireto tarika indray nihira andiany faharoa ireto. Continuer la lecture
MPANAO GAZETY: Mitondra fitoniana na firehetana.
Mpisehatra mitondra filaminana na fikorontanana amin’ny firenena ny mpanao gazety. Fepetra takiana amin’ny asa fanaovan-gazety ny fanoavana “recoupement” na fanamarinana ny vaovao. Continuer la lecture
FMI Malagasy : « Sazio ny kandida mahazo vato latsaky 10 % »
Tokony ho fantarina ny loharanom-bolan’ny kandida hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena. « Izay kandida mahazo vato latsaky ny 10 %, tokony ho saziana handoa lamandy 100 tapitrisa Ariary. Continuer la lecture
SECES sampana Antananarivo: Hamolavola rafitra hampiombona ny Malagasy
Mikorontana tanteraka ny any andohan’ny vahoaka Malagasy mahita sy maheno ny zava-misy eto Madagasikara. Noho izany, hanatanteraka fivoriana mikato-trano ny alakamisy 16 Mey 2018 ny SECES sampana Antananarivo hamolavola rafitra, lamina mato-paika ary mahomby. Continuer la lecture
FIKAMBANANA APOKALYPSY ETO MADAGASIKARA: Tsy nampandroso ny firenena ny rà latsaka
Mankasitraka sy mivavaka amin’ny fampihavanana ataon’ny FFKM ho an’ireo mpifanolana ankehitriny ny Fikambanana Apokalypsy eto Madagasikara ( FAM ). Continuer la lecture











