Socio-eco

ALLO TAXIN’AKA: Tsotra nefa azo antoka.


Fomba iray hahazoana mivezivezy ny “Allo taxin’aka”. Tsy mandany fotoana fa amin’ny alalan’ny antso an-tariby na amin’ny tambajotra serasera faceebook, ahafahan’ny mpanjifa mamandrika taxi. “Ny taxi no manatona anao any amin’ny toerana izay misy anao”. Sehatra iray. Miantso ny laharana 034 88 611 45, 033 87 266 16, 032 24 696 49 fotsiny dia afaka maka ny mpanjifa any amin’ny toerana izay tadiaviny ny taxi. Amin’ny fotoana rehetra 24 amin’ny 24 ora, fito amin’ny fito andro, afaka mamaly ny fangatahan’ny mpanjifa ny allo taxin’aka. “Tolotra homenay ny mpanjifa ny fanaovana “livraison » entana na tsy misy mpanaraka aza. Eo ihany koa ny fanaterana na fitsenana mpianatra”, hoy i Koloina RAJAONARISOA, tomponandraikitra voalohany ny Allo Taxin’aka. Voaray amin’ny alalan’ny finday misy facebook ny course rehetra. Nomarihany fa mpanohana ny hetsika ara-barotra « La grande braderie de Madagascar » izy ireo.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *